Fisaintsainana isan’andro

NY MAHA-TOKANA AN’I KRISTY

Mankanesa atỳ Amiko.

Matio 11:28

Tsy mampietry ve ny ilazana amintsika fa tsy maintsy manatona an’i Jesosy isika! Eritrereto ireo zavatra izay tsy hanatonantsika an’i Jesosy Kristy. Raha tianao ho fantatra ny maha-tena izy anao, tsapao ny tenanao amin’ireto teny ireto — "Mankanesa atỳ Amiko." Amin’ny ambaratonga rehetra izay tsy maha-tena izy anao, dia hifanditra ianao toy izay hanatona, hitady hevitra an-kolaka ianao toy izay hanatona, handalo alahelo ianao toy izay hanatona, hanao na inona na inona ianao toy izay hamita ilay dingana farany amin’ny hadalana tsy hay lazaina — "Amin’izao maha-izaho ahy izao." Raha mbola manana na dia singa bitika indrindra amin’ny fahasahisahiana ara-panahy tsy mendrika aza ianao, dia hiseho mandrakariva izany amin’ny fiandrasanao an’Andriamanitra hilaza aminao hanao zavatra lehibe, kanefa ny hany lazainy aminao dia ny hoe "manatona."

"Mankanesa atỳ Amiko." Rehefa mandre ireo teny ireo ianao dia ho fantatrao fa misy zavatra tsy maintsy mitranga ao anatinao vao afaka manatona ianao. Hasehon’ny Fanahy Masina anao izay tsy maintsy ataonao, na inona na inona mihitsy izay hametraka ny famaky eo amin’ny fakan’ilay zavatra misakana anao tsy handroso. Tsy handroso lavidavitra kokoa mihitsy ianao mandra-panekenao an-tsitrapo hanao io zavatra tokana io. Ho tondroin’ny Fanahy Masina ilay zavatra tokana tsy mety resy ao anatinao, nefa tsy afaka mampihetsika izany Izy raha tsy manaiky an-tsitrapo hamela Azy ianao.

Impiry moa ianao no nanatona an’Andriamanitra nitondra ny fangatahanao ka lasa niaraka tamin’ny fahatsapana hoe — Hay, izany ary, vitako tamin’ity indray mitoraka ity! Kanefa mbola lasa tsy nitondra na inona na inona ianao, nandritra izany rehetra izany dia nijoro nanatsotra ny tanany Andriamanitra tsy hoe handray anao ihany, fa mba horaisinao koa Izy. Eritrereto ny faharetan’i Jesosy izay tsy mety resy, tsy azo tohaina, tsy mety sasatra — "Mankanesa atỳ Amiko."

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana