Fisaintsainana isan’andro

FAMPIHAVANANA

Nataony ota ho antsika Izy, Izay tsy nahalala ota; mba hahatonga antsika ho fahamarinan’Andriamanitra ao Aminy.

2Korintiana 5:21

Fifandraisana fototra ny ota; tsy fanaovana ratsy izany, fa maha-ratsy, dia fahaleovan-tena niniana sy nohamafisina manoloana an’Andriamanitra. Ny fivavahana Kristiana dia mametraka ny zavatra rehetra eo amin’ny toetra voajanaharin’ny ota izay tena misy, ary mipaka hatrany amin’ny fotony. Ny fivavahana hafa dia miresaka ireo fahotana isanisany; ny Baiboly irery no miresaka ny ota. Ny lovan’ny ota no zavatra voalohany natrehin’i Jesosy Kristy tao amin’ny olona, ary noho isika tsy niraharaha izany teo amin’ny fanehoantsika ny Filazantsara dia very ny fanindronana sy ny hery manapoaka tao amin’ny hafatry ny Filazantsara.

Ny fanambaran’ny Baiboly dia tsy hoe noraisin’i Jesosy Kristy ho eo amin’ny Tenany ireo fahotantsika ara-nofo, fa hoe noraisiny ho eo amin’ny Tenany ny lovan’ny ota izay tsy azon’olombelona kasihina. Nataon’Andriamanitra ota ny Zanany mba hahafahany manao ny mpanota ho olo-masina. Manerana ny Baiboly dia ambara fa nentin’ny Tompontsika ny otan’izao tontolo izao tamin’ny fampiraisana ny tenany aminy, fa tsy tamin’ny fiombonam-pihetseham-po. Ninia nandray teo an-tsorony Izy, ary nitondra tao amin’ny Tenany manokana, ny fitambaran’ny otan’ny taranak’olombelona manontolo — "Ilay nataony ota ho antsika, Izay tsy nahalala ota," ary tamin’ny fanaovany izany dia napetrany teo amin’ny fototry ny Fanavotana ny taranak’olombelona manontolo. Naverin’i Jesosy Kristy amin’ny toerana mendrika ny taranak’olombelona; naveriny ho eo amin’izay nokasain’Andriamanitra hisy azy izany, ary afaka miditra ao amin’ny firaisana amin’Andriamanitra ny olona rehetra noho izay nataon’ny Tompontsika teo amin’ny Hazofijaliana.

Tsy afaka manavotra ny tenany ny olona; ny Fanavotana no "anjaran’Andriamanitra," sady vita sy tanteraka tsy misy tomika izany; ny fampiharana azy amin’ny olona tsirairay dia miankina amin’ny asa ataon’izy ireo tsirairay. Ny fanambarana ny Fanavotana sy ny fahatsapana amim-pahatsiarovan-tena ny famonjena eo amin’ny fiainan’ny olona iray dia tsy maintsy avahana mandrakariva.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana