Fisaintsainana isan’andro

NY SEHATRY NY FANANDRATANA

Nentin’i Jesosy niakatra tany an-tendrombohitra avo hitokana samirery izy ireo.

Marka 9:2

Samy efa nanana fotoana teny an-tendrombohitra isika rehetra, izay nahitantsika ny zavatra araka ny fijerin’Andriamanitra sy naniriantsika hijanona teo; nefa tsy havelan’Andriamanitra hijanona eo mihitsy isika. Ny fitsapana ny fiainantsika ara-panahy dia ny hery hahafahana midina; raha ny miakatra ihany no ananantsika hery, dia misy zavatra tsy mety. Zava-dehibe ny miaraka amin’Andriamanitra eny an-tendrombohitra, nefa noho izao ihany no ahatongavan’ny olona iray any mba hahafahany midina avy eo ho eo anivon’ireo azon’ny demonia ka hanandratra azy ireo. Tsy natao ho an’ny tendrombohitra sy ny mangiran-dratsy ary ny firaiketam-po amin’ny hatsaran-tarehy isika, natao ho an’ny fotoanan’ny aingam-panahy ireo, izay ihany. Natao ho an’ny lohasaha isika, ho an’ireo zavatra andavanandro iainantsika, ary eo no tsy maintsy anaporofoantsika ny tena herintsika. Ny fitiavan-tena ara-panahy dia maniry mandrakariva ny hiverenan’ny fotoana eny an-tendrombohitra. Tsapantsika fa ho afaka hiteny toy ny anjely sy hiaina toy ny anjely isika, raha mba afaka mijanona eny an-tendrombohitra ihany. Miavaka ny fotoam-panandratana, manana ny heviny eo amin’ny fiainantsika miaraka amin’Andriamanitra izy ireny, nefa tsy maintsy mitandrina isika sao te hanao azy ireny ho hany fotoana ny fitiavan-tenantsika ara-panahy.

Mora amintsika ny mihevitra fa tokony havadika ho fampianarana mahasoa ny zava-mitranga rehetra, tokony havadika ho zavatra tsara noho ny fampianarana izany, izany hoe, ho toetra. Tsy natao hampianatra antsika na inona na inona ny tendrombohitra, fa natao hampanjary antsika ho zavatra iray. Misy fandrika lehibe ao amin’ny fanontaniana — Inona no ilàna azy? Amin’ny raharaha ara-panahy dia tsy afaka manao kajy araka izany mihitsy isika. Fotoana tsy fahita firy ny eny an-tampon-tendrombohitra, ary natao hanatanterahana zavatra iray ao amin’ny fikasan’Andriamanitra izy ireny.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana