Fisaintsainana isan’andro

NY FANIRAHANA AMIN’NY ANTSO

Izaho izay mifaly ankehitriny amin’ny fahoriako noho ny aminareo, ary mameno ao amin’ny nofoko izay mbola tsy ampy amin’ny fahorian’i Kristy ho an’ny tenan’i Kristy.

Kolosiana 1:24

Mamolavola antso avy amin’ny fanokanana ara-panahy ataontsika manokana ho an’Andriamanitra isika, nefa rehefa tafaverina amin’ny fihavanana amin’Andriamanitra isika dia fafany avokoa ireny, ary amin’ny alalan’ny fanaintainana mahatsiravina no amatorany antsika amin’ny zavatra tokana izay tsy noeritreretintsika akory, ary mandritra ny fotoana iray mamirapiratra toy ny tselatra dia hitantsika ny tanjony, ka hoy isika — "Inty aho, iraho aho."

Tsy misy ifandraisany amin’ny fanamasinana ny tena manokana ity antso ity, fa amin’ny fanaovana antsika ho mofo voavaky sy divay nararaka. Tsy afaka manao antsika ho divay mihitsy Andriamanitra raha toherintsika ireo rantsantanana ampiasainy hanorotoroana antsika. Raha Andriamanitra no mba nampiasa ny rantsantanany ihany, ka nanao ahy ho mofo voavaky sy divay nararaka tamin’ny fomba manokana! Kanefa rehefa mampiasa olona iray izay tsy tiantsika Izy, na toe-javatra sasany izay nolazaintsika fa tsy hekentsika na oviana na oviana, ka ireny no ataony ho mpanorotoro, dia manohitra isika. Tsy tokony hifidy velively ny toerana hahafatesantsika ho maritiora isika. Raha tiana hatao divay isika, dia tsy maintsy torotoroina; tsy azo sotroina ny voaloboka. Tsy tonga divay ny voaloboka raha tsy efa voaporitra.

Manontany tena aho hoe karazana rantsantanana sy ankihibe manao ahoana no nampiasain’Andriamanitra hamoritra anao, nefa tonga toy ny kanety ianao ka afa-nandositra? Tsy mbola masaka ianao, ary raha efa namoritra anao Andriamanitra, dia ho nangidy tsy nisy toy izany ilay divay. Ny hoe tonga olona manana toetra sakramenta[1] dia midika fa ampitoeran’Andriamanitra ny fanatrehany ireo singan’ny fiainana voajanahary rehefa vakina araka ny fitondrany ao amin’ny fanompoana Azy. Tsy maintsy ampirindrina amin’Andriamanitra isika vao afaka ho mofo voavaky eo an-tanany. Mitoera amin’ny fihavanana marina amin’Andriamanitra ary avelao Izy hanao izay sitrany, dia ho hitanao fa mamokatra ilay karazana mofo sy divay izay hahasoa ireo zanany hafa Izy.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana