Fisaintsainana isan’andro

NY SEHATRY NY FAMPIETRENA

Raha misy zavatra azonao atao, mamindrà fo aminay, ary ampio izahay.

Marka 9:22

Aorian’ny fotoam-panandratana tsirairay dia asitrika tampoka ao anatin’ny zava-misy marina isika izay sady tsy kanto no tsy misy tononkalo no tsy mampientam-po. Ny haavon’ny tampon-tendrombohitra dia refesina amin’ny asa manjombona mandreraka sy mankaleo ao an-dohasaha; nefa ao amin’ny lohasaha no tsy maintsy iainantsika ho voninahitr’Andriamanitra. Mahita ny voninahiny eny an-tendrombohitra isika, nefa tsy miaina ho an’ny voninahiny mihitsy any. Ao amin’ny sehatry ny fampietrena no ahitantsika ny tena lanjantsika amin’Andriamanitra, eo no isehoan’ny fahatokiantsika. Mahavita zavatra ny ankamaroantsika raha eo amin’ny ambaratonga mahery fo mandrakariva isika noho ny fitiavan-tena voajanahary ao am-pontsika, nefa irin’Andriamanitra isika ho eo amin’ny ambaratonga tsotra sy manjombona, izay iainantsika ao an-dohasaha araka ny fifandraisantsika manokana Aminy. Nihevitra i Petera fa zavatra tsara ny hijanonan’izy ireo eny an-tendrombohitra, nefa nentin’i Jesosy Kristy nidina avy eny an-tendrombohitra ho any amin’ny lohasaha ny mpianatra, ilay toerana anazavana ny hevitry ny fahitana.

"Raha misy zavatra azonao atao . . ." Mila ny lohasahan’ny fampietrena vao hongotana hiala amintsika ny fisalasalana. Jereo indray ny zavatra niainanao, dia ho hitanao fa mandra-pianaranao hoe Iza moa i Jesosy, dia mpisalasala fetsy momba ny heriny ianao. Fony teny an-tendrombohitra ianao, afaka nino na inona na inona ianao, nefa ahoana ny amin’ny fotoana niatrehanao mivantana ireo zava-misy tao an-dohasaha? Mety ho afaka mijoro ho vavolombelona momba ny fanamasinana ianao, nefa ahoana ilay zavatra mampietry anao amin’izao fotoana izao? Tamin’ny fotoana farany niarahanao tamin’Andriamanitra teny an-tendrombohitra, dia hitanao fa an’i Jesosy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany — mbola hisalasala ve ianao izao ao amin’ny lohasahan’ny fampietrena?

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana