NY TOE-TSAINA TSY AZO OMENA TSINY
“Raha . . . mahatsiaro ianao fa manana alahelo aminao ny rahalahinao. . . .”
Matio 5:23
Raha rehefa tonga eo amin’ny alitara ianao, dia mahatsiaro eo fa manana zavatra aminao ny rahalahinao, tsy hoe — Raha mikaroka zavatra noho ny fahatsapana mora marary tafahoatra ianao, fa — "Raha mahatsiaro ianao," izany hoe, raha entin’ny Fanahin’Andriamanitra ho ao an-tsainao izany ka tsapanao mazava: "mihavàna amin’ny rahalahinao aloha, ary avy eo avia ka atolory ny fanatitrao." Aza manohitra velively ny fahatsapan’ny Fanahin’Andriamanitra tena maranitra ao anatinao rehefa mampianatra anao hatramin’ny feon’ny fieritreretana madinika indrindra[1] Izy.
"Mihavàna amin’ny rahalahinao aloha . . ." Tsotra ny tari-dalan’ny Tompontsika, "mihavàna aloha." Miverena amin’ny lalana izay nihavianao, mandehana amin’ny lalana nasehon’ny fandresen-dahatra nomena teo amin’ny alitara anao; manàna toe-tsaina sy toe-panahy manoloana ilay olona izay manana zavatra aminao ka mahatonga ny fihavanana ho voajanahary tahaka ny fofonaina. Tsy manonona ilay olona hafa i Jesosy, fa hoy Izy — ianao no mandehana. Tsy misy resaka momba ny zonao. Ny mariky ny olo-masina dia ny fahafahany mahafoy ny zony manokana ka mankatò an’i Jesosy Tompo.
"Ary avy eo avia ka atolory ny fanatitrao." Voamarika mazava ilay dingana. Voalohany, ny toe-panahy mahery fo manao sorona ny tena, avy eo ny fisakanana tampoka noho ny fahatsapan’ny Fanahy Masina tena maranitra, ary ny fijanonana eo amin’ny teboka isehoan’ny fandresen-dahatra, avy eo ny lalan’ny fankatoavana ny tenin’Andriamanitra, izay manorina toe-tsaina sy toe-panahy tsy azo omena tsiny manoloana ilay olona izay nanaovanao ratsy; avy eo ny fanolorana ny fanatitrao ho an’Andriamanitra amim-pifaliana, amim-pahatsorana, ary tsy voasakana.