NY "MANDEHANA" AMIN’NY FANDAVANA
“Tompo ô, hanaraka Anao aho na aiza na aiza alehanao.”
Lioka 9:57
Toe-tsaina nanakivy mafy io lehilahy io no nasehon’ny Tompontsika taminy satria fantany izay tao anatin’ny olona. Ho nilaza isika hoe — "Eritrereto ny fahaverezan’ny fahafahana hahazoana io lehilahy io!" Eritrereto ny fitondrana rivotra avy any avaratra hanodidina azy ka hampivaingana azy sy "hampiala azy sady kivy!" Aza manao fialan-tsiny ho an’ny Tomponao velively. Mandratra sy manafintohina ny tenin’ny Tompo mandra-pahatongan’ny tsy hisian’ny zavatra haratra na ho tafintohina intsony. Tsy maneho halemem-panahy na dia kely aza i Jesosy Kristy amin’izay zavatra izay hanimba tanteraka ny olona iray ao amin’ny fanompoana an’Andriamanitra amin’ny farany. Tsy miorina amin’ny fiovaovan-kevitra ny valin’ny Tompontsika, fa amin’ny fahalalana izay ao anatin’ny olona. Raha mitondra teny iray avy amin’ny Tompo izay mandratra anao ao an-tsainao ny Fanahin’Andriamanitra, dia azonao antoka fa misy zavatra tiany haratra mandra-pahafatiny.
Andininy 58. Manala ny fo amin’ny fanompoana an’i Jesosy Kristy ireo teny ireo satria mahafinaritra ahy izany. Tsy mamela na inona na inona afa-tsy ny Tompoko, sy izaho, ary fanantenana zara raha misy[1] ny hamafin’ny fandavana. "Na ho tonga na handeha ny valisoa zato heny, ny fifandraisanao Amiko no tsy maintsy kintana mpitari-dalanao, ary tsy manana izay hametrahako ny lohako Aho."
andininy 59. Tsy te handiso fanantenana an’i Jesosy io lehilahy io, na handratra ny rainy. Apetratsika eo amin’ny toeran’ny fahatokiana an’i Jesosy Kristy ny fahatokiana feno fihetseham-po amin’ny havana ka tsy maintsy omena ny toerana farany i Jesosy. Raha misy fifandiran’ny fahatokiana, dia ankatoavy i Jesosy Kristy na inona na inona vidiny.
Andininy 61. Izay milaza hoe — "Eny, Tompo ô, nefa . . ." no olona vonona mafy dia mafy, nefa tsy mandeha mihitsy. Nanana fepetra iray na roa io lehilahy io. Tsy mamela sisiny ho an’ny fanaovam-beloma ny antso hentitr’i Jesosy Kristy, satria ny veloma, araka ny fampiasana azy matetika, dia fanaon’ny mpanompo sampy, fa tsy an’ny Kristiana. Raha vao tonga ny antson’Andriamanitra, dia manomboha mandeha ary aza mitsahatra mandeha velively.