Fisaintsainana isan’andro

NY "MANDEHANA" AMIN’NY FIFANDRAISANA

Ary na zovy na zovy no hanery anao handeha maily iray, dia mandehana miaraka aminy maily roa.

Matio 5:41

Ny famintinana ny fampianaran’ny Tompontsika dia hoe tsy azo atao ilay fifandraisana takiny raha tsy efa nanao asa mihoatra ny voajanahary ao anatintsika Izy. Takian’i Jesosy Kristy ny tsy hisian’ny mariky ny lolom-po na dia kely indrindra voageja ao am-pon’ny mpianatra rehefa mifanehitra amin’ny fampahoriana sy ny tsy rariny izy. Tsy misy hafanam-po hahatanty velively ny fihenjanana hapetrak’i Jesosy Kristy amin’ny mpiasany, fa zavatra iray ihany no hahatanty, dia ny fifandraisana manokana Aminy izay efa nandalo tao amin’ny milin’ny fanadiovany lalina mandra-pisian’ny fikasana tokana sisa — Eto aho mba hirahin’Andriamanitra amin’izay tiany. Mety ho rakotry ny zavona ny zavatra hafa rehetra, nefa tsy tokony ho rakotra mihitsy ity fifandraisana amin’i Jesosy Kristy ity.

Tsy filamatra ny Toriteny teo an-tendrombohitra, fa fanambarana izay hitranga ato anatiko rehefa nanova ny toe-panahy manjaka ato anatiko i Jesosy Kristy ary nametraka toe-panahy manjaka ao anatiko tahaka ny Azy. I Jesosy Kristy irery no afaka manatanteraka ny Toriteny teo an-tendrombohitra.

Raha ho mpianatr’i Jesosy isika, dia tsy maintsy atao mpianatra amin’ny fomba mihoatra ny voajanahary; raha mbola manana fikasana raikitra ny ho mpianatra isika dia azontsika antoka fa tsy mpianatra. "Izaho no nifidy anareo." Izany no fomba anombohan’ny fahasoavan’Andriamanitra. Fanerena tsy azontsika ialana izany; afaka tsy mankatò izany isika, nefa tsy afaka mamorona azy. Ny fahasoavan’Andriamanitra mihoatra ny voajanahary no misintona, ary tsy afaka mamantatra velively izay anombohan’ny asany isika. Mihoatra ny voajanahary ny fanaovan’ny Tompontsika mpianatra. Tsy manorina amin’ny fahaizana voajanahary na dia kely aza Izy. Tsy mangataka antsika hanao ireo zavatra mora amintsika araka ny voajanahary Andriamanitra; ireo zavatra izay ataon’ny fahasoavany hahatonga antsika ho sahaza tanteraka ihany no angatahiny hataontsika, ary ho tonga manaraka izany zotra izany mandrakariva ny hazofijaliana.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana