NY "MANDEHANA" AMIN’NY FIOMANANA
“Koa raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin’ny alitara ianao, ary eo no mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao; avelao eo anoloan’ny alitara ny fanatitrao, ary mandehana; mihavàna amin’ny rahalahinao aloha, ary avy eo avia ka atolory ny fanatitrao.”
Matio 5:23, 24
Mora ny mihevitra fa ho tonga amin’ny toerana izay feno sy vonona isika, nefa tsy tanteraka tampoka ny fiomanana, fa dingana tazonina tsy tapaka izany. Mampidi-doza ny miditra ao amin’ny toe-javatra maharitra amin’ny fanandramana. Fiomanana sy fiomanana izany.
Manintona mora foana ny Kristiana tanora ny fahatsapana sorona. Raha araka ny fitenin’olombelona, ny hany zavatra manintona ho amin’i Jesosy Kristy dia ny fahatsapantsika ny maha-mahery fo, ary mitondra tampoka io onjan’ny hafanam-po io ho amin’ny fitsapana ny fandinihan’ny tenin’ny Tompontsika. "Mihavàna amin’ny rahalahinao aloha." Ny "mandehana" momba ny fiomanana dia ny famelana ny tenin’Andriamanitra handinika. Tsy ampy ny fahatsapana sorona mahery fo. Ny zavatra tsikaritry ny Fanahy Masina ao anatinao dia ilay toe-panahy manjaka izay tsy hiasa velively eo amin’ny fanompoana Azy. Tsy misy afa-tsy Andriamanitra afaka mahita izany toe-panahy manjaka ao anatinao izany. Misy zavatra afeninao amin’Andriamanitra ve? Raha misy, dia avelao Andriamanitra handinika anao amin’ny fahazavany. Raha misy fahotana, dia ikeno eo anatrehan’Andriamanitra izany, fa aza miaiky ny fisiany fotsiny. Manaiky hankatò ny Tomponao sy Mpampianatra anao ve ianao na inona na inona fanetrena hihatra amin’ny zonao amin’ny tenanao?
Aza manary fandresen-dahatra velively. Raha manan-danja ampy ka nitondran’ny Fanahin’Andriamanitra izany tao an-tsainao, dia io no zavatra tsikariny. Nitady zavatra lehibe hafoy ianao. Milaza zavatra madinika iray aminao Andriamanitra; nefa ao ambadik’izany no misy ny tilikambo mimanda foiben’ny ditra: Tsy hahafoy ny zoko amin’ny tenako aho — ilay zavatra kasain’Andriamanitra hampahafoy anao raha ho tonga mpianatr’i Jesosy Kristy ianao.