NY TANJON’NY MISIONERA
“Indro, miakatra ho any Jerosalema isika.”
Lioka 18:31
Eo amin’ny fiainana voajanahary dia miova arakaraka ny fivoarantsika ny faniriantsika; eo amin’ny fiainana Kristiana dia omena hatrany am-piandohana ny tanjona, ary mitovy ny fiandohana sy ny fiafarana, izany hoe, ny Tompontsika mihitsy. Manomboka amin’i Kristy isika ary mifarana Aminy — "mandra-pahatongantsika rehetra amin’ny halehiben’ny fahalehilahan’i Kristy Jesosy," fa tsy amin’ny hevitsika momba izay tokony ho toetry ny fiainana Kristiana. Ny tanjon’ny misionera dia ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra, fa tsy ny ho mahasoa, fa tsy ny hahazo ny mpanompo sampy; mahasoa izy ary tena mahazo ny mpanompo sampy, nefa tsy izany no tanjony. Ny tanjony dia ny hanao ny sitrapon’ny Tompony.
Eo amin’ny fiainan’ny Tompontsika dia i Jerosalema no toerana nahatratrarany ny fara tampon’ny sitrapon’ny Rainy teo amin’ny Hazofijaliana, ary raha tsy miara-mandeha amin’i Jesosy any isika dia tsy hanana fiombonana Aminy. Tsy nisy na inona na inona nahakivy ny Tompontsika teny an-dalany ho any Jerosalema. Tsy nandalo haingana tao amin’ireo vohitra sasany izay nanenjehana Azy Izy, na nijanona ela tao amin’ny hafa izay nitahiana Azy. Na fankasitrahana na tsy fankasitrahana dia tsy nampivily ny Tompontsika na dia eran’ny singam-bolo aza hiala tamin’ny fikasany hiakatra ho any Jerosalema.
"Ny mpianatra tsy ambony noho ny Mpampianatra azy." Hitranga amintsika eny an-dalana ho any amin’i Jerosalemantsika ireo zavatra ireo ihany. Hisy ny asan’Andriamanitra hiseho amin’ny alalantsika, hahazo fitahiana ny olona, ary olona iray na roa no haneho fankasitrahana fa ny ambiny kosa haneho tsy fankasitrahana mibaribary, nefa tsy misy zavatra tokony hampivily antsika tsy hiakatra ho any Jerosalemantsika.
"Teo no nanomboany Azy tamin’ny hazo fijaliana." Izany no nitranga rehefa tonga tany Jerosalema ny Tompontsika, ary izany zava-nitranga izany no vavahady mankany amin’ny famonjena antsika. Tsy miafara amin’ny fanomboana amin’ny hazo fijaliana ny olo-masina: miafara amin’ny voninahitra amin’ny fahasoavan’ny Tompo izy ireo. Mandritra izany dia izao no teny filamatra ho antsika — Izaho, koa, dia miakatra ho any Jerosalema.