Fisaintsainana isan’andro

NY TOMPON’NY MISIONERA

Ianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo: ary marina ny filazanareo; fa izany tokoa Aho.

Jaona 13:13

Tsy zavatra iray ihany ny manana tompo sy ny fehezin’ny tompo. Ny manana tompo dia midika fa misy olona iray mahalala ahy mihoatra noho ny fahalalako ny tenako, olona iray akaiky kokoa noho ny sakaiza, olona iray mandrefy ny halalin’ny hantsana lavitra indrindra ao am-poko sy manome fahafaham-po izany, olona iray izay nitondra ahy ho amin’ny fahatsapana azo antoka fa efa nihaona tamin’ny fisafotofotoana sy ny olana rehetra tao an-tsaiko ary namaha izany. Izao no atao hoe manana tompo fa tsy zavatra latsaka noho izany — "Iray ihany ny Mpampianatra anareo, dia i Kristy."

Tsy manery ny fankatoavana velively ny Tompontsika; tsy mampiasa fomba hahatonga ahy hanao izay tiany Izy. Amin’ny fotoana sasany dia iriko raha hifehy ahy Andriamanitra ka hampanao ahy ilay zavatra, nefa tsy hanao izany Izy; amin’ny toe-po hafa dia iriko raha hamela ahy irery Izy, nefa tsy manao izany Izy.

"Ianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo" — nefa izany ve Izy? Kely toerana ao amin’ny voambolantsika ny Mpampianatra sy Tompo, fa aleontsika ireo teny hoe Mpamonjy, Mpanamasina, Mpanasitrana. Fitiavana no hany teny ilazana ny fananan’ny tompo fahefana eo amin’ny fanandramana ary kely dia kely ny fantatsika momba ny fitiavana araka ny anambaran’Andriamanitra azy. Porofoin’ny fomba ampiasantsika ny teny hoe mankatò izany. Ao amin’ny Baiboly dia miorina amin’ny fifandraisan’ny mitovy ny fankatoavana, dia ny an’ny zanaka amin’ny rainy. Tsy mpanompon’Andriamanitra ny Tompontsika, fa Zanany Izy. "Na dia Zanaka aza Izy, dia nianatra fankatoavana . . ." Raha ny hevitsika dia hoe fehezin’ny tompo isika, dia porofo izany fa tsy manana tompo isika; raha izany no toe-tsaintsika amin’i Jesosy, dia lavitra ny fifandraisana tiany isika. Tiany isika ho ao amin’ilay fifandraisana izay maha-Tompo Azy amintsika tsy misy sakana nefa tsy tsapantsika akory izany, fa ny hany fantatsika dia hoe Azy isika ka mankatò Azy.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana