Fisaintsainana isan’andro

IREO FANENDRENA MIALOHA HO AN’NY MISIONERA

Ary ankehitriny, hoy ny Tompo, Izay namorona ahy hatrany am-bohoka ho mpanompony.

Isaia 49:5

Ny zavatra voalohany mitranga rehefa tsapantsika ny nifidianana antsika ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy dia ny fandravana ny fitsarana an-tendrony sy ny fiheverana voafetra ao amin’ny faritra misy antsika ary ny fitiavan-tanindrazana ao amintsika; ovana ho mpanompon’ny fikasan’Andriamanitra manokana isika. Noforonina hanome voninahitra an’Andriamanitra sy hifaly Aminy mandrakizay ny taranak’olombelona manontolo. Navilin’ny fahotana ho amin’ny zotra hafa ny taranak’olombelona, nefa tsy nanova ny fikasan’Andriamanitra na dia kely indrindra aza izany; ary rehefa ateraka indray isika dia entina ho amin’ny fahatsapana ny fikasan’Andriamanitra lehibe ho an’ny taranak’olombelona, izany hoe, noforonina ho an’Andriamanitra aho, Izy no nanao ahy. Izany fahatsapana ny fifidianan’Andriamanitra izany no fahatsapana mahafaly indrindra etỳ an-tany, ary tsy maintsy mianatra miantehitra amin’ny fikasan’Andriamanitra mamorona sady lehibe dia lehibe isika. Ny zavatra voalohany hataon’Andriamanitra amintsika dia ny "hampamakivaky an-keriny ny fantson’ny fo tokana" ny tombontsoan’izao tontolo izao manontolo. Ny fitiavan’Andriamanitra, dia ny toetra voajanaharin’Andriamanitra mihitsy, no ampidirina ao anatintsika, ary mifantoka ao amin’ny Jaona 3:16 ny toetra voajanaharin’Andriamanitra Tsitoha — "Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao. . ."

Tsy maintsy tazonintsika hisokatra amin’ny zava-misy momba ny fikasan’Andriamanitra mamorona ny fanahintsika, ary tsy hampifangaro izany amin’ny fikasan’ny tenantsika. Raha manao izany isika, dia tsy maintsy manorotoro ny fikasantsika amin’ny lafiny iray Andriamanitra na dia maharary toy inona aza izany. Ny fikasana namoronana ny misionera dia ny hahatonga azy ho mpanompon’Andriamanitra, dia olona iray izay anomezam-boninahitra an’Andriamanitra. Rehefa tsapantsika fa amin’ny alalan’ny famonjen’i Jesosy Kristy dia atao sahaza tanteraka ho an’Andriamanitra isika, dia ho takatsika ny antony maha-hentitra tsy misy indrafo an’i Jesosy Kristy amin’izay takiny. Mitaky fahitsiana tanteraka amin’ireo mpanompony Izy, satria efa nametraka ny toetra voajanaharin’Andriamanitra mihitsy tao anatin’izy ireo.

Mitandrema sao manadino ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny fiainanao ianao.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana