Fisaintsainana isan’andro

NY FITSIPIK’ANDRIAMANITRA MOMBA NY FIAINANA

Koa aoka ho tanteraka ianareo, tahaka ny fahatanterahan’ny Rainareo any an-danitra.

Matio 5:48

Ny fampirisihan’ny Tompontsika ao amin’ireo andininy ireo dia ny hanana fahalalahan-tanana eo amin’ny fitondrantsika ny olona rehetra. Mitandrema eo amin’ny fiainana ara-panahy tsy handeha araka ny firaisam-po voajanahary. Samy manana firaisam-po voajanahary ny olona rehetra; misy olona tiantsika ary misy hafa tsy tiantsika. Tsy tokony havelantsika hanapaka eo amin’ny fiainantsika Kristiana mihitsy ireo fitiavana sy tsy fitiavana ireo. "Raha mandeha ao amin’ny mazava tahaka ny maha-ao amin’ny mazava an’Andriamanitra isika," dia homen’Andriamanitra antsika ny fiombonana amin’ireo olona izay tsy ananantsika firaisam-po voajanahary.

Tsy olona tsara, na Kristiana tsara akory, no Ohatra omen’ny Tompontsika antsika fa Andriamanitra mihitsy. "Koa aoka ho tanteraka ianareo tahaka ny fahatanterahan’ny Rainareo any an-danitra," asehoy amin’ilay olon-kafa izay nasehon’Andriamanitra taminao; ary homen’Andriamanitra fahafahana maro be eo amin’ny tena fiainana isika mba hanaporofoana raha tanteraka tahaka ny Rainantsika any an-danitra isika. Ny hoe mpianatra dia midika fa mampiray ny tenantsika amim-piniavana amin’ny tombontsoan’Andriamanitra ao amin’ny olon-kafa isika. "Mba hifankatiavanareo; tahaka ny nitiavako anareo . . ."

Tsy fanaovan-tsoa no fisehoan’ny toetra Kristiana, fa fitoviana amin’Andriamanitra. Raha nanova anao tao anatiny ny Fanahin’Andriamanitra, dia hampiseho toetran’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao ianao, fa tsy toetra tsara ananan’olombelona. Maneho ny tenany ho fiainan’Andriamanitra ny fiainan’Andriamanitra ao anatintsika, fa tsy ho fiainan’olombelona izay miezaka hanana toe-panahy araka an’Andriamanitra. Ny zava-miafin’ny Kristiana dia ny anaovan’ny fahasoavan’Andriamanitra ny zavatra mihoatra ny voajanahary ho voajanahary ao anatiny, ary miasa eo amin’ny tsipiriany azo ampiharina amin’ny fiainana ny fanandramana izany, fa tsy amin’ny fotoan’ny fiombonana amin’Andriamanitra. Rehefa mifandray amin’ireo zavatra miteraka tabataba isika, dia hitantsika amim-pahagagana fa manana hery hitoetra voalanjalanja amin’ny fomba mahatalanjona eo afovoan’izany rehetra izany isika.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana