MBOLA MIARA-MANDEHA AMIN’I JESOSY VE IANAO?
“Hianareo no naharitra nanaraka Ahy tamin’ny fakam-panahy nahazo Ahy.”
Lioka 22:28
Marina fa miaraka amintsika ao amin’ny fakam-panahy mahazo antsika i Jesosy Kristy, nefa miara-mandeha Aminy ao amin’ny fakam-panahy mahazo Azy ve isika? Maro amintsika no mitsahatra tsy miara-mandeha amin’i Jesosy raha vao miaina izay azony atao. Diniho rehefa ovain’Andriamanitra ny toe-javatra misy anao, ary zahao na miara-mandeha amin’i Jesosy ianao, na miandany amin’izao tontolo izao, ny nofo sy ny devoly. Mitafy ny marika famantarana Azy isika, nefa miara-mandeha Aminy ve isika? "Hatramin’izay dia maro tamin’ny mpianany no niverina ka tsy niara-nandeha Taminy intsony."
Nitohy nandritra ny fiainan’i Jesosy teto an-tany ny fakam-panahy nahazo Azy, ary hitohy mandritra ny fiainan’ny Zanak’Andriamanitra ao anatintsika izany. Miara-mandeha amin’i Jesosy ao amin’ny fiainana iainantsika izao ve isika?
Manana hevitra isika fa tokony hiaro ny tenantsika amin’ny zavatra sasany entin’Andriamanitra manodidina antsika. Sanatria! Alamin’Andriamanitra sy ampahatanterahiny amim-pikendrena ny toe-javatra ary na inona na inona mety ho endrik’izany dia tsy maintsy ataontsika azo antoka fa miatrika izany isika sady mitoetra Aminy tsy tapaka ao amin’ny fakam-panahy mahazo Azy. Fakam-panahy mahazo Azy ireo, fa tsy fakam-panahy mahazo antsika, nefa fakam-panahy mahazo ny fiainan’ny Zanak’Andriamanitra ao anatintsika. Ny voninahitr’i Jesosy Kristy no tandindomin-doza ao amin’ny fiainanao ara-batana. Mitoetra ho mahatoky amin’ny Zanak’Andriamanitra ve ianao ao anatin’ireo zavatra manemitra ny fiainany ao anatinao?
Mbola miara-mandeha amin’i Jesosy ve ianao? Mandalo an’i Getsemane ny lalana, mandalo ny vavahadin’ny tanàna, any ivelan’ny toby; mandalo irery ny lalana, ary mandroso ny lalana mandra-panjavonan’ny dian-tongotra rehetra, fa ny feo sisa, "Manaraha Ahy."