NY FARITRA AVY AMIN’ANDRIAMANITRA AO AMIN’NY FIVAVAHANA
“Fa ianao kosa, raha mivavaka, midira ao amin’ny efitranonao, ary rehefa voahidinao ny varavaranao, dia mivavaha amin’ny Rainao Izay ao amin’ny miafina.”
Matio 6:6
Izao no hevitra lehibe eo amin’ny faritry ny fivavahana — Aoka ny masonao ho amin’Andriamanitra, fa tsy amin’ny olona. Aza atao antony manosika anao ny faniriana ho fantatra ho olona mivavaka. Mitadiava efitra anatiny hivavahana izay tsy misy mahalala fa mivavaka ianao, hidio ny varavarana ary miresaha amin’Andriamanitra ao amin’ny miafina. Aza manana antony manosika hafa ankoatra ny hahalala ny Rainao any an-danitra. Tsy azo atao ny mitondra ny fiainanao amin’ny maha-mpianatra raha tsy misy fotoana voafaritra tsara hivavahana ao amin’ny miafina.
Fa raha mivavaka ianareo dia aza manao teny miverimberina foana . . . (andininy 7). Tsy mandre antsika Andriamanitra satria mafana fo isika, fa noho ny fanavotana ihany. Tsy manaitra an’Andriamanitra velively ny hafanam-pontsika. Tsy fahazoana zavatra avy amin’Andriamanitra fotsiny ny vavaka, fa izany no endrika voalohany indrindra amin’ny vavaka; ny vavaka dia fidirana ao amin’ny fiombonana tanteraka amin’Andriamanitra. Raha miforona ao anatintsika amin’ny fahaterahana ara-panahy indray ny Zanak’Andriamanitra, dia handroso eo anoloan’ny saina mahazatra ananantsika Izy ary hanova ny toe-tsaintsika momba ireo zavatra ivavahantsika.
"Izay rehetra mangataka no mahazo." Manao resaka foana ara-pivavahana isika, tsy ao anatiny ny sitrapontsika, dia milaza isika fa tsy mamaly Andriamanitra; tsy mbola nangataka na inona na inona isika. "Hangataka izay tianareo ianareo," hoy Jesosy. Ny mangataka dia midika fa ao anatiny ny sitrapontsika. Isaky ny niresaka momba ny vavaka i Jesosy, dia napetrany tamin’ny fahatsorana lehibe ananan’ny zaza izany: mampiditra ny toe-tsaintsika tia mitsikera isika ka milaza — Eny, nefa . . . Hoy Jesosy hoe "Mangataha." Nefa tsarovy fa tsy maintsy mangataka amin’Andriamanitra zavatra mifanaraka amin’Ilay Andriamanitra nambaran’i Jesosy Kristy isika.