Fisaintsainana isan’andro

INONA NO SOA AMIN’NY FAKAM-PANAHY?

Tsy nisy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ny olona.

1Korintiana 10:13

Nihena ny hasarobidin’ny teny hoe "fakam-panahy" eto amin’izao tontolo izao; mora amintsika ny mampiasa azy amin’ny fomba diso. Tsy fahotana ny fakam-panahy, fa zavatra tsy maintsy hatrehintsika raha tena olona isika. Ny tsy fakana fanahy antsika dia hahatonga antsika ho ambanin’ny fanamavoana. Maro amintsika, anefa, no mijaly noho ny fakam-panahy izay tsy tokony hampijaly antsika, satria fotsiny nanda tsy hamela an’Andriamanitra hanandratra antsika ho amin’ny ambaratonga ambony kokoa izay hiatrehantsika fakam-panahy karazana hafa.

Ny toe-panahy manjaka ao anatin’ny olona iray, izany hoe, izay ananany ao amin’ny maha-olona azy, no mamaritra izay maka fanahy azy avy etỳ ivelany. Mifanaraka amin’ny toetra voajanaharin’ilay alaim-panahy ny fakam-panahy, ary mampiharihary izay mety ho vitan’ilay toetra voajanahary. Samy manana ny toerana ametrahana ny fakam-panahiny ny olona rehetra, ary ho tonga manaraka ny lalan’ny toe-panahy manjaka ao anaty ny fakam-panahy.

Lalana fohy aroso hahatratrarana ilay avo indrindra kendrena ny fakam-panahy — tsy mankany amin’izay fantatro ho ratsy, fa mankany amin’izay fantatro ho tsara. Zavatra mampisafotofoto ahy tanteraka mandritra ny fotoana iray ny fakam-panahy, ka tsy fantatro na marina na diso ilay zavatra. Filan’ny nofo natao andriamanitra ny fileferana amin’ny fakam-panahy, ary porofo fa hakanosana no nisakana ny fahotana teo aloha izany.

Tsy zavatra azontsika ialana ny fakam-panahy, fa tena ilaina amin’ny fiainan’ny olona feno tanteraka izany. Mitandrema sao mihevitra fa alaim-panahy amin’ny fomba tsy misy olon-kafa alaim-panahy ianao; lova iombonan’ny taranak’olombelona izay lalovanao, fa tsy zavatra tsy mbola nisy olona nandalo taloha. Tsy mamonjy antsika hiala amin’ny fakam-panahy Andriamanitra; manampy antsika eo afovoan’izany Izy (Hebreo 2:18).

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana