FIERITRERETANA V. FANENTANAM-PANAHY
“Ny fahatsorana izay ao amin’i Kristy.”
2Korintiana 11:3
Ny fahatsorana no zava-miafina ahitana mazava ny zavatra. Tsy misaina mazava mandritra ny fotoana ela ny olo-masina, nefa tokony hahita mazava tsy misy fahasarotana ny olo-masina. Tsy afaka mieritreritra mba hampazava ny fisafotofotoana ara-panahy ianao, fa tsy maintsy mankatò mba hampazava azy. Amin’ny raharaha ara-tsaina dia afaka mandinika ny zavatra hatramin’ny farany ianao, nefa amin’ny raharaha ara-panahy dia hampiditra ny tenanao ao anaty landihazo amin’ny fisainana ianao. Raha misy zavatra iray izay nametrahan’Andriamanitra fanerena, dia mankatò amin’izany raharaha izany, baboy ho amin’ny fankatoavana an’i Kristy ny fieritreretanao momba izany dia hazava tahaka ny andro ny zavatra rehetra. Tonga aoriana ny fahafahana mandanjalanja, nefa tsy mahita velively amin’izany zotra izany isika, fa mahita tahaka ny zaza; rehefa miezaka ho hendry isika dia tsy mahita na inona na inona (Matio 11:25).
Ny zavatra madinika indrindra avelantsika eo amin’ny fiainantsika izay tsy eo ambany fanapahan’ny Fanahy Masina dia ampy tsara hanazavana ny fisafotofotoana ara-panahy, ary ny fisainana rehetra tiantsika holanina aminy dia tsy hampazava izany velively. Ny fankatoavana ihany no mampazava ny fisafotofotoana ara-panahy. Raha vao mankatò isika, dia manavaka. Mampietry izany, satria rehefa misafotofoto isika dia fantatsika fa ao amin’ny toe-tsaintsika ny antony. Rehefa atolotra ny Fanahy Masina ny hery voajanahary ahitana, dia tonga hery hahafantarana ny sitrapon’Andriamanitra izany ka tazonina ao amin’ny fahatsorana ny fiainana manontolo.