Fisaintsainana isan’andro

AORIAN’NY FANOLOREN-TENA — INONA?

Efa vitako ny asa nomenao Ahy hatao.

Jaona 17:4

Tsy fanolorana ny fiainana ivelany ny fanolorana tena, fa fanolorana ny sitrapo; rehefa vita izany, dia vita ny zavatra rehetra. Vitsy dia vitsy ny fotoan-tsarotra eo amin’ny fiainana; ny fotoan-tsarotra lehibe dia ny fanolorana ny sitrapo. Tsy manorotoro velively ny sitrapon’ny olona mba hanolorany azy Andriamanitra, tsy mitalaho aminy Izy, fa miandry mandra-panolotr’ilay olona ny sitrapony Aminy. Tsy mila iadiana indray velively izany ady izany.

Fanolorana tena ho amin’ny fanafahana.

"Manatòna Ahy dia hanome anareo fitsaharana Aho." Rehefa nanomboka niaina ny dikan’ny famonjena isika vao manolotra ny sitrapontsika amin’i Jesosy mba hahazo fitsaharana. Izay rehetra mampisafotofoto ny fo na ny saina dia antso ho an’ny sitrapo — "Manatòna Ahy." Fanatonana an-tsitrapo izany.

Fanolorana tena ho amin’ny fanoloran-tena.

"Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany." Ny fanekena eto dia ny fanolorana ny tenako amin’i Jesosy, dia ny tenako izay manana ny fitsaharany ao am-pony. "Raha te ho mpianatro ianao, dia afoizo ho Ahy ny zonao amin’ny tenanao." Avy eo dia tsy inona fa fisehoan’izany fanekena izany ny sisa amin’ny fiainana. Rehefa tanteraka indray mandeha ny fanekena dia tsy mila "mihevitra raha sanatria" na inona na inona velively isika. Tsy mila miahiahy izay toe-javatra misy antsika isika, fa ampy dia ampy i Jesosy.

Fanolorana tena ho amin’ny fahafatesana.

Jaona 21:18-19. ". . . hisy hafa hamehy anao." Efa nianatra ny dikan’ny hoe voafatotra ho amin’ny fahafatesana ve ianao? Mitandrema amin’ny fanolorana tena izay ataonao an’Andriamanitra ao anatin’ny fientanam-po; mora aminao ny maka izany indray. Resaka firaisana amin’i Jesosy ao amin’ny fahafatesany izany mandra-pahatongan’ny tsy hisy zavatra hanintona anao intsony izay tsy nanintona Azy.

Aorian’ny fanolorana tena — inona? Ny fiainana manontolo aorian’ny fanolorana tena dia faniriana fiombonana tsy tapaka amin’Andriamanitra.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana