Fisaintsainana isan’andro

AMIN’NY ALALAN’NY FISAFOTOFOANA ARA-PANAHY

Tsy fantatrareo izay angatahinareo.

Matio 20:22

Misy fotoana eo amin’ny fiainana ara-panahy izay isian’ny fisafotofotoana, ary tsy vahaolana ny milaza fa tsy tokony hisy fisafotofotoana. Tsy resaka marina sy diso izany, fa resaka fitarihan’Andriamanitra anao amin’ny lalana iray izay tsy takatrao mandritra izany fotoana izany, ary amin’ny famakivakiana ny fisafotofotoana ihany no hahafantaranao izay tian’Andriamanitra.

Ny fanaronana ny fisakaizany.

Lioka 11:5-8. Nanome fanoharana momba ilay lehilahy izay toa tsy niraharaha ny sakaizany i Jesosy, ary nilaza Izy fa toy izany no hisehoan’ny Ray any an-danitra aminao indraindray. Hihevitra ianao fa sakaiza tsy tsara fanahy Izy, nefa tsarovy fa tsy izany Izy; ho tonga ny fotoana izay hanazavana ny zavatra rehetra. Misy rahona manarona ny fisakaizan’ny fo, ary matetika na ny fitiavana aza tsy maintsy miandry ao anatin’ny fanaintainana sy ny ranomaso ny fitahian’ny fiombonana feno kokoa. Rehefa toa voasarona tanteraka Andriamanitra, mbola hifikitra amin’ny fitokiana Aminy ve ianao?

Ny aloka eo amin’ny maha-Ray Azy.

Lioka 11:11-13. Milaza i Jesosy fa misy fotoana izay hisehoan’ny Rainao ho toy ny ray tsy araka ny voajanahary, toy ny hoe mafy fo sady tsy miraharaha Izy, nefa tsarovy fa tsy izany Izy; efa nilaza taminao Aho — "Izay rehetra mangataka no mahazo." Raha misy aloka eo amin’ny tavan’ny Ray izao, dia mifikira amin’ny finoana fa amin’ny farany dia hanome ny fanambarany mazava Izy ary hanamarina ny tenany amin’izay rehetra navelany hitranga.

Ny maha-hafahafa ny fahatokiany.

Lioka 18:1-8. "Rehefa tonga ny Zanak’olona, mbola hahita finoana etỳ ambonin’ny tany va Izy?" Mbola hahita ny finoana izay mametraka ny fitokiany Aminy na dia eo aza ny fisafotofotoana ve Izy? Mijoroa misaraka ao amin’ny finoana ka minoa fa marina izay nolazain’i Jesosy, na dia tsy takatrao aza izao izay ataon’Andriamanitra. Misy raharaha lehibe kokoa tandindomin-doza Aminy noho ireo zavatra manokana angatahinao.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana