Fisaintsainana isan’andro

FITAOVAM-PIADIANA HO AN’NY MISIONERA

Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra anareo, no nanasa ny tongotrareo, dia tokony hifanasa tongotra koa ianareo.

Jaona 13:14

Ny manompo araka ireo fahafahana miseho manodidina antsika dia tsy midika ho fifidianana ny manodidina antsika, fa midika ho fananan’Andriamanitra manokana indrindra ao anatin’izay manodidina sendrasendra rehetra alamina sy ampahatanterahiny amim-pikendrena ho antsika. Ny toetra asehontsika eo amin’ny manodidina akaiky antsika dia famantarana ny ho toetrantsika any amin’ny manodidina hafa.

Ny zavatra nataon’i Jesosy dia asa ambany indrindra sy mahazatra indrindra, ary izany no famantarana fa mitaky ny herin’Andriamanitra rehetra ato anatiko ny fanaovana ireo zavatra mahazatra indrindra amin’ny fombany. Afaka mampiasa lamba famaohana tahaka ny nataony ve aho? Lamba famaohana sy vilia ary kapa, ireo zavatra mahazatra maloto rehetra eo amin’ny fiainantsika, no mampiharihary haingana kokoa noho ny zavatra hafa izay nanaovana antsika. Mitaky an’Andriamanitra Tsitoha tonga nofo ao anatintsika ny fanaovana ny adidy ambany indrindra araka ny tokony hanaovana azy.

"Efa nomeko ohatra ianareo mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo." Diniho ny karazan’olona entin’Andriamanitra manodidina anao, ary ho menatra sy hietry ianao hahita fa izany no fomba ampiharihany aminao ny karazan’olona efa nahatongavanao taminy. Ankehitriny, hoy Izy, asehoy amin’io olona io marina izay nasehoko taminao.

"Ah," hoy ianao, "Hataoko izany rehetra izany rehefa tonga any amin’ny saha vahiny aho." Ny firesahana toy izany dia toy ny fiezahana hamokatra fitaovam-piadiana ao anaty hady fiarovana — ho faty ianao mandritra ny fanaovana izany.

Tsy maintsy mandeha ny "maily faharoa" miaraka amin’Andriamanitra isika. Reraka tanteraka ao anatin’ny folo yarda voalohany ny sasany amintsika, satria teren’Andriamanitra handeha amin’ny toerana izay tsy ahitantsika ny lalana isika, ka hoy isika — "Hiandry aho mandra-pahatonga ahy akaiky kokoa ny fotoan-tsarotra lehibe." Raha tsy mihazakazaka tsy miova amin’ireo lalana madinika isika, dia tsy hanao na inona na inona ao amin’ny fotoan-tsarotra.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana