Fisaintsainana isan’andro

FITAOVAM-PIADIANA HO AN’NY MISIONERA

Raha teo ambanin’ny aviavy ianao, dia nahita anao Aho.

Jaona 1:48

Heverintsika fa ho tsara isika raha misy fotoan-tsarotra lehibe mipoitra; nefa ilay fotoan-tsarotra lehibe dia hampiharihary fotsiny izay nanaovana antsika, fa tsy hametraka na inona na inona ao anatintsika. "Raha miantso Andriamanitra, dia mazava ho azy fa hiatrika ny toe-javatra aho." Tsy hanao izany ianao raha tsy efa niatrika ny toe-javatra tao amin’ny toeram-piasana, raha tsy efa tena izy teo anatrehan’Andriamanitra tao. Raha tsy manao ilay zavatra akaiky indrindra ianao, satria Andriamanitra no nandamina sy nahatonga izany amim-pikendrena; rehefa tonga ilay fotoan-tsarotra dia tsy hiseho ho sahaza ianao, fa hiseho ho tsy sahaza. Mampiharihary toetra mandrakariva ny fotoan-tsarotra.

Ny fifandraisana manokana amin’ny fitsaohana an’Andriamanitra no zava-dehibe indrindra hahatonga ho sahaza. Ho tonga ny fotoana izay tsy ahafahana miaina fiainana "aviavy" intsony, fa tsy maintsy mivoaka eny an-kalamanjana, mivoaka eo amin’ny hazavana mamiratra sy ao amin’ny asa, ary ho hitanao fa tsy misy ilàna anao ao raha tsy nitsaoka araka ny fotoana nomena anao tao an-tranonao ianao. Mitsaohà araka ny tokony ho izy ao amin’ny fifandraisanao manokana, dia ho vonona ianao rehefa manafaka anao Andriamanitra, satria tao amin’ny fiainana tsy hita maso izay tsy hitan’iza na iza afa-tsy Andriamanitra dia tonga sahaza tanteraka ianao, ary rehefa tonga ny fihenjanana dia afaka miantehitra aminao Andriamanitra.

"Tsy azo antenaina amiko ny hiaina ny fiainana nohamasinina ao anatin’ny toe-javatra misy ahy; tsy manam-potoana hivavahana aho izao, tsy manam-potoana hamakiana Baiboly, tsy mbola tonga ny fotoana mety ho ahy; rehefa tonga izany, dia mazava ho azy fa ho tsara aho." Tsia, tsy ho tsara ianao. Raha tsy nitsaoka araka ny fotoana nomena anao ianao, dia tsy hoe tsy hisy ilàna anao ihany rehefa miditra ao amin’ny asa ianao, fa ho sakana lehibe ho an’ireo miaraka aminao.

Ny fiainana miafina, manokana, ary mitsaoka ananan’ny olo-masina no toeram-pamokarana fitaovam-piadiana ho an’ny misionera.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana