Fisaintsainana isan’andro

ATAOVY IANAO MIHITSY IZANY

Mambabo ny hevitra rehetra ho amin’ny fankatoavana an’i Kristy.

2Korintiana 10:5

Lafiny hafa amin’ny toetra voajanahary mitaky ezaka amin’ny maha-olo-masina izany. Hoy Paoly, "Ataoko babo ny tetikasa rehetra mba hankatoavany an’i Kristy." (Moffatt.) Endrey ny hamaroan’ny asa Kristiana ankehitriny izay mbola tsy nampiofanina, fa nipoitra tsotra izao noho ny fihetsehana tampoka! Eo amin’ny fiainan’ny Tompontsika dia nampiofanina ho amin’ny sitrapon’ny Rainy ny tetikasa rehetra. Tsy nisy fihetsehan’ny sitrapony manokana niavaka tamin’ny an’ny Rainy — "Tsy afaka manao na inona na inona avy amin’ny Tenany ny Zanaka." Dia jereo ny tenantsika — fanandramana ara-pivavahana velona, ary ny tetikasa rehetra teraky ny fihetsehana tampoka dia ampiharina avy hatrany, fa tsy gadraina sy ampiofanina mba hankatò an’i Kristy.

Andro anasongadinana tafahoatra ny asa azo tsapain-tanana izao, ary ireo olo-masina izay mambabo ny tetikasa rehetra dia kianina sy ilazana fa tsy mafana fo ho an’Andriamanitra na ho an’ny fanahy izy ireo. Hita ao amin’ny fankatoavana an’Andriamanitra ny hafanam-po marina, fa tsy ao amin’ny fironana hanompo Azy izay ateraky ny toetra voajanaharin’ny olombelona tsy voaofana. Tsy hay eritreretina izany, nefa marina ihany, fa tsy mambabo ny tetikasa rehetra ny olo-masina, fa manao asa ho an’Andriamanitra noho ny fampirisihan’ny toetra voajanaharin’ny olombelona ao aminy izay tsy mbola natao ara-panahy tamin’ny fampiofanana amim-piniavana.

Mora amintsika ny manadino fa tsy manolo-tena amin’i Jesosy Kristy ho amin’ny famonjena ihany ny olona iray; manolo-tena amin’ny fomba fijerin’i Jesosy Kristy an’Andriamanitra, izao tontolo izao, ny fahotana sy ny devoly izy, ary izany dia hidika fa tsy maintsy mahatsapa ny andraikitra hovana endrika amin’ny fanavaozana ny sainy izy.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana