Fisaintsainana isan’andro

ATAOVY IANAO MIHITSY IZANY

Mandrava ny fieritreretana sy ny zavatra avo rehetra izay manandra-tena hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra.

2Korintiana 10:5

Tsy fanafahana amin’ny toetra voajanaharin’ny olombelona ny fanafahana amin’ny fahotana. Misy zavatra ao amin’ny toetra voajanaharin’ny olombelona, toy ny fitsarana an-tendrony, izay tsy maintsy potehin’ny olo-masina amin’ny tsy firaharahiana; ary misy zavatra hafa tsy maintsy potehina amin-kery, izany hoe, amin’ny hery avy amin’Andriamanitra ampitain’ny Fanahin’Andriamanitra. Misy zavatra izay tsy tokony hiadiantsika, fa tokony hijoroantsika tsy mihetsika ao anatiny ka hahita ny famonjen’Andriamanitra; nefa ny tsangan-kevitra na hevitra rehetra izay mitsangana ho manda manohitra ny fahalalana an’Andriamanitra dia tsy maintsy ravana amim-piniavana amin’ny fitrohana ny herin’Andriamanitra, fa tsy amin’ny ezaka araka ny nofo na ny marimaritra iraisana (andininy 4).

Rehefa avy nanova ny toe-panahy manjaka ao anatintsika Andriamanitra ary efa niditra tao amin’ny fanandramana ny fanamasinana isika vao manomboka ny ady. Tsy ady amin’ny fahotana ilay ady; tsy afaka miady amin’ny fahotana velively isika: i Jesosy Kristy no miatrika ny fahotana ao amin’ny fanavotana. Mandeha eo amin’ny zotra fanovana ny fiainantsika voajanahary ho fiainana ara-panahy ny ady, ary tsy mora ny manao izany velively, sady tsy fikasan’Andriamanitra ny hanaovana azy mora. Amin’ny alalan’ny safidy ara-pitondrantena misesy ihany no anaovana izany. Tsy manamasina antsika amin’ny hevitr’ilay toetra Andriamanitra; manamasina antsika amin’ny hevitr’ilay tsy fananan-tsiny Izy, ary tsy maintsy ovantsika ho toetra masina izany tsy fananan-tsiny izany amin’ny alalan’ny safidy ara-pitondrantena misesy. Manohitra tsy tapaka ireo manda mimanda ao amin’ny fiainantsika voajanahary ireo safidy ireo, dia ireo zavatra mitsangana ho manda manohitra ny fahalalana an’Andriamanitra. Afaka miverina isika ka manao ny tenantsika ho tsy misy lanjany ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, na afaka mandrava ireo zavatra ireo amim-piniavana ka mamela an’i Jesosy hitondra zanaka iray hafa ho amin’ny voninahitra.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana