Fisaintsainana isan’andro

LOHARANON’NY HATSARAM-PANAHY

Ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny.

Jaona 4:14

Tsy sary fantsona no omen’ny Tompontsika fa loharano. "Aoka ho feno mandrakariva," ary ny hamamin’ny fifandraisana velona amin’i Jesosy dia hiboiboika avy amin’ny olo-masina amim-pahalalahan-tanana tahaka ny ampitana izany aminy. Raha hitanao fa tsy miboiboika araka ny tokony ho izy ny fiainanao, dia ianao no diso; misy zavatra nanakana ny fikorianana. Mitoera mahitsy eo amin’ny Loharano, ary — hotahina manokana ve ianao? Tsia, hisy onin’ny rano velona hiboiboika avy ao anatinao, dia fiainana tsy azo sakanana.

Tokony ho ivon-toerana izay ahafahan’i Jesosy mikoriana ho onin’ny rano velona mitondra fitahiana ho an’ny olona rehetra isika. Tahaka ny Ranomasina Maty ny sasany amintsika, mandray mandrakariva nefa tsy manome mihitsy, satria tsy mifandray araka ny tokony ho izy amin’i Jesosy Tompo isika. Tahaka ny maha-azo antoka ny fandraisantsika avy Aminy, dia handrotsaka amin’ny alalantsika Izy, ary arakaraka ny tsy handrotsahany, no misy kilema eo amin’ny fifandraisantsika Aminy. Misy zavatra ve eo aminao sy i Jesosy Kristy? Misy zavatra manakana ny finoan-kevitrao momba Azy ve? Raha tsia, hoy Jesosy, dia hisy onin’ny rano velona hiboiboika avy ao anatinao. Tsy fitahiana ampitaina izany, tsy fanandramana tantaraina, fa ony mikoriana tsy tapaka. Mitoera eo amin’ny Loharano, arovy tsara ny finoan-kevitrao momba an’i Jesosy Kristy sy ny fifandraisanao Aminy, dia hisy fikorianana tsy miova ho an’ny fiainan’ny hafa, ka tsy hisy fahamainana na fahafatesana.

Tsy mihoa-pampana loatra ve ny filazana fa hisy ony hiboiboika avy ao amin’ny mpino iray? "Tsy hitako ireo ony," hoy ianao. Aza mijery ny tenanao velively araka ny fomba fijery hoe — Iza moa aho? Ao amin’ny tantaran’ny asan’Andriamanitra dia saika ho hitanao mandrakariva fa avy amin’ny takona, ny tsy fantatra, ny tsy raharahaina no niandohany, nefa izy ireo dia mahatoky an’i Jesosy Kristy tsy mihozongozona.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana