AZY!
“Anao ireo, ary nomenao Ahy.”
Jaona 17:6
Ny misionera dia olona izay nampisy izao fahatsapana izao tao anatiny ny Fanahy Masina — "Tsy anareo ny tenanareo." Ny milaza hoe, "Tsy ahy ny tenako" dia fahatongavana eo amin’ny teboka lehibe amin’ny fahamendrehana ara-panahy. Ny tena toetra voajanaharin’ny fiainana ao anatin’ny tadio eo amin’ny fiainana tena izy dia ny fanolorana ny tenako amim-piniavana ho an’olon-kafa araka ny safidy feno fiandrianana, ary i Jesosy Kristy izany olon-kafa izany. Manazava amiko ny toetra voajanaharin’i Jesosy ny Fanahy Masina mba hampiray ahy amin’ny Tompoko, fa tsy mba handehanako ho zavatra aseho ao amin’ny efitra fampirantiana. Tsy naniraka ny iray tamin’ireo mpianatra hivoaka mihitsy ny Tompontsika noho izay nataony ho azy ireo. Taorian’ny Fitsanganana amin’ny maty ihany, rehefa tsapan’ireo mpianatra tamin’ny herin’ny Fanahy Masina hoe Iza Izy, no nilazan’i Jesosy hoe "Mandehana."
"Raha misy manatona Ahy ka tsy mankahala . . . , dia tsy afaka ny ho mpianatro izy," tsy hoe, tsy afaka ny ho tsara sy mahitsy izy, fa hoe, tsy afaka ny ho olona izay anoratan’i Jesosy ny teny hoe "Ahy." Mety ho fifandraisana mifaninana ny iray amin’ireo fifandraisana lazain’ny Tompontsika. Mety hifidy ny ho an’ny reniko aho, na ho an’ny vadiko vavy, na ho an’ny tenako; amin’izay, hoy Jesosy, tsy afaka ny ho mpianatro ianao. Tsy midika izany fa tsy hovonjena aho, fa midika kosa fa tsy afaka ny ho "Azy."
Ataon’ny Tompontsika ho fananany manokana ny mpianatra iray, ka Izy no tompon’andraikitra aminy. "Ho vavolombelona ho Ahy ianareo." Ny toe-panahy miditra dia tsy ny fanaovana zavatra ho an’i Jesosy, fa ny maha-fahafinaretana tanteraka ho Azy. Izao no zava-miafin’ny misionera — Azy aho, ary tanterahiny amin’ny alalako ireo fikasana lehibe tanterahiny.