Fisaintsainana isan’andro

NARARAKA NY RANON’NY FAHAFAHAM-PO

Kanefa tsy nety nisotro tamin’izany izy, fa naidiny ho an’ny Tompo izany.

2Samoela 23:16

Inona no toy ny rano avy amin’ny fantsakan’i Betlehema taminao vao haingana — fitiavana, fisakaizana, fitahiana ara-panahy? Raisinao izany mba hanomezana fahafaham-po ny tenanao, ka ataonao tandindomin-doza ny fanahinao. Raha manao izany ianao, dia tsy afaka mandraraka izany eo anatrehan’ny Tompo. Tsy afaka manamasina ho an’Andriamanitra velively izay zavatra irinao hanomezana fahafaham-po ny tenanao ianao. Raha manome fahafaham-po ny tenanao amin’ny fitahiana avy amin’Andriamanitra ianao, dia hanimba anao izany; tsy maintsy ataonao sorona izany, araraka izany, ataovy aminy izay lazain’ny saina mahazatra fa fandaniam-poana tsy misy antony.

Ahoana no handrarahako ho an’ny Tompo ny fitiavana voajanahary na ny fitahiana ara-panahy? Amin’ny fomba iray ihany — amin’ny fanapahan-kevitry ny saiko. Misy asa sasany ataon’ny olon-kafa izay tsy ho azon’ny olona iray ekena mihitsy raha tsy mahalala an’Andriamanitra izy, satria tsy ao anatin’ny herin’olombelona ny mamaly izany. Nefa raha vao milaza aho hoe — Lehibe sy mendrika loatra ho ahy ity, tsy natao ho an’olombelona mihitsy izany, tsy maintsy mandraraka azy ho an’ny Tompo aho, dia miboiboika ho onin’ny rano velona manodidina ireo zavatra ireo. Mandra-pandrarako ireo zavatra ireo eo anatrehan’ny Tompo, dia mampidi-doza ny tenako sy ireo tiako izy satria hivadika ho filan’ny nofo. Afaka manana filan’ny nofo amin’ny zavatra tsy maloto sy vetaveta isika. Tsy maintsy tonga amin’ny teboky ny fiovan-tarehiny ny fitiavana ka hararaka ho an’ny Tompo.

Raha tonga mangidy sy marikivy ianao, dia satria namikitra ilay fitahiana ho an’ny tenanao ianao rehefa nomen’Andriamanitra anao izany; fa raha nararakao ho an’ny Tompo izany, dia ho olona mamy indrindra ivelan’ny lanitra ianao. Raha mandray fitahiana ho anao mandrakariva ianao ka tsy mianatra mandraraka na inona na inona ho an’ny Tompo velively, dia tsy hivelatra amin’ny alalanao ny faravodilanitry ny olon-kafa.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana