NY SAKRAMENTAN’NY SORONA
“Izay mino Ahy . . . dia hiboiboika avy ao anatiny. . . .”
Jaona 7:38
Tsy nilaza i Jesosy hoe — "izay mino Ahy dia hahatsapa ny fitahian’ny fahafenoan’Andriamanitra," fa — "izay mino Ahy dia hivoaka tsy voatana avy ao anatiny izay rehetra raisiny." Manohitra ny fampanjary ny tena mandrakariva ny fampianaran’ny Tompontsika. Tsy ny fampivelarana ny olona iray no fikasany; ny hahatonga ny olona iray hitovy tanteraka Aminy no fikasany, ary ny fandaniana ny tena no mampiavaka ny Zanak’Andriamanitra. Raha mino an’i Jesosy isika, dia tsy izay azontsika, fa izay aheliny amin’ny alalantsika no manan-danja. Tsy ny hahatongavan’Andriamanitra antsika ho voaloboka boribory tsara tarehy no antony, fa ny hanerena ny hamamin’ny voany hivoaka avy amintsika. Amin’ny lafiny ara-panahy, dia tsy afaka mandrefy ny fiainantsika amin’ny fahombiazana isika, fa amin’izay ahelin’Andriamanitra amin’ny alalantsika ihany, ary tsy afaka mandrefy izany mihitsy isika.
Rehefa novakin’i Maria avy any Betania ilay tavoahangy nisy menaka manitra sarobidy ka nararany teo amin’ny lohan’i Jesosy, dia asa iray izay tsy hitan’olon-kafa ny antony nanaovana azy izany; nilaza ireo mpianatra fa fandaniam-poana izany. Nefa nidera an’i Maria noho ny asa fanoloran-tenany mihoa-pampana i Jesosy, ary nilaza fa na aiza na aiza itoriana ny filazantsarany dia "holazaina koa izao nataony izao ho fahatsiarovana azy." Feno fifaliana mihoatra ny fetrany ny Tompontsika rehefa mahita ny iray amintsika manao izay nataon’i Maria Izy, tsy mikiry amin’izao na izatsy fitsitsiana, fa mahafoy tena ho Azy. Nahelin’Andriamanitra ny ain’ny Zanany mba hamonjena izao tontolo izao; voaomana handraraka ny aintsika ho Azy ve isika?
"Izay mino Ahy dia hisy onin’ny rano velona hiboiboika avy ao anatiny" — fiainana an-jatony maro hafa no hahazo famelombelomana tsy tapaka. Fotoana izao hamakiana ny fiainana, hitsaharana tsy hangetaheta fahafaham-po, ary handraraka ilay zavatra. Manontany ny Tompontsika hoe iza amintsika no hanao izany ho Azy?