NY ANJARA VOATENDRY HO AMIN’NY FAHAMASINANA
“Ho masina ianareo; fa masina Aho.”
1Petera 1:16 (R.V.)
Avereno lazaina amin’ny tenanao tsy tapaka izay fikasan’ny fiainanao. Tsy fahasambarana, na fahasalamana, fa fahamasinana no vokatra farany voatendry ho an’ny olona. Amin’izao andro izao dia be loatra ny firaisam-po ananantsika, ary miparitaka amin’ireny isika; firaisam-po mahitsy, tsara, mendrika izay mbola hahazo ny fahatanterahany, nefa mandritra izany dia tsy maintsy ataon’Andriamanitra mihalazo ireo. Ny hany zavatra manan-danja dia na hanaiky an’Ilay Andriamanitra izay hahatonga azy ho masina ny olona iray na tsia. Na inona na inona vidiny dia tsy maintsy mifandray amin’Andriamanitra araka ny tokony ho izy ny olona iray.
Mino ve aho fa mila ho masina? Mino ve aho fa afaka miditra ato anatiko Andriamanitra ka hahatonga ahy ho masina? Raha mandresy lahatra ahy amin’ny toriteninao ianao fa tsy masina aho, dia tezitra amin’ny toriteninao aho. Manaitra fahatezerana mafy ny fitoriana ny filazantsara satria tsy maintsy mampiharihary fa tsy masina aho; nefa manaitra faniriana mafy koa izany. Manana vokatra farany voatendry iray ho an’ny olombelona Andriamanitra, izany hoe, fahamasinana. Ny hany tanjony dia ny famokarana olo-masina. Tsy milina mandrakizay manome fitahiana ho an’ny olona Andriamanitra; tsy tonga hamonjy olona noho ny fangorahana Izy: Tonga hamonjy olona Izy satria efa noforoniny ho masina ireo. Ny asa fampihavanana dia midika fa afaka mamerina ahy ho ao amin’ny firaisana tanteraka amin’ny tenany Andriamanitra, ka tsy misy aloka eo anelanelany, amin’ny alalan’ny Fahafatesan’i Jesosy Kristy.
Aza milefitra velively noho ny fiombonam-pihetseham-po amin’ny tenanao na amin’ny hafa amin’izay fanao tsy mifanaraka amin’Andriamanitra masina. Ny fahamasinana dia midika fandehanana tsy misy loto amin’ny tongotra, firesahana tsy misy loto amin’ny lela, fisainana tsy misy loto amin’ny saina — ny tsipiriany rehetra eo amin’ny fiainana dia eo ambanin’ny fandinihan’Andriamanitra. Tsy izay omen’Andriamanitra ahy ihany ny fahamasinana, fa izay asehoko fa nomen’Andriamanitra ahy.