Fisaintsainana isan’andro

NY FIFALIAKO . . . NY FIFALIANAREO

Mba hitoeran’ny fifaliako ao anatinareo, ary mba ho feno ny fifalianareo.

Jaona 15:11

Inona ilay fifaliana nananan’i Jesosy? Ompa ny mampiasa ny teny hoe fahasambarana momba an’i Jesosy Kristy. Ny fifalian’i Jesosy dia ny fanolorana sy ny fanaovana sorona ny tenany tanteraka ho an’ny Rainy, dia ny fifaliana manao izay nanirahan’ny Ray Azy hatao. "Faly manao ny sitraponao Aho." Nivavaka i Jesosy mba hanohy ho tanteraka ny fifaliantsika mandra-pahatongany hitovy amin’ny fifaliany. Efa navelako hampiditra ny fifaliany ato anatiko ve i Jesosy Kristy?

Tsy ao amin’ny fahasalaman’ny vatana, tsy ao amin’ny zava-mitranga etỳ ivelany, tsy ao amin’ny fahitana fa mahomby ny asan’Andriamanitra no misy ny safodrano fenon’ny fiainako, fa ao amin’ny fahatakarana tanteraka an’Andriamanitra, sy ao amin’ilay fiombonana Aminy nananan’i Jesosy mihitsy. Ny zavatra voalohany hanakana izany fifaliana izany dia ny fahasosorana tia manakiana avy amin’ny fiezahana hamaha ny toe-javatra amin’ny fisainana. Ny fiahian’izao tontolo izao, hoy Jesosy, dia hanakenda ny tenin’Andriamanitra. Alohan’ny hahafantarantsika izay misy antsika, dia voasariky ny endrika ivelan’ny zavatra[1] isika. Tokonam-baravarana fotsiny izay rehetra nataon’Andriamanitra ho antsika; tiany hotarihina ho amin’ny toerana izay hahatonga antsika ho vavolombelony sy hanambara hoe Iza i Jesosy isika.

Mifandraisa amin’Andriamanitra araka ny tokony ho izy, tadiavo eo ny fifalianao, dia hiboiboika avy ao anatinao ny onin’ny rano velona. Aoka ho ivon-toerana handrotsahan’i Jesosy Kristy rano velona amin’ny alalanao ianao. Atsaharo ny fahatsiarovan-tena, atsaharo ny ho mpanamarin-tena nohamasinina, ary iaino ny fiainana miafina miaraka amin’i Kristy. Ny fiainana mifandray araka ny tokony ho izy amin’Andriamanitra dia voajanahary tahaka ny miaina na aiza na aiza alehany. Ny fiainana izay nitondra fitahiana lehibe indrindra ho anao dia ny an’ireo tsy nahatsiaro izany.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana