SAFIDY AMIN’NY VAVAKA SY ADY AMIN’NY VAVAKA
“Raha mivavaka ianao, dia midira ao amin’ny efitranonao, ary mivavaha amin’ny Rainao Izay ao amin’ny miafina.”
Matio 6:6
Tsy nilaza i Jesosy hoe — Manofisa momba ny Rainao ao amin’ny miafina, fa mivavaha amin’ny Rainao ao amin’ny miafina. Ezaka ataon’ny sitrapo ny vavaka. Rehefa niditra tao amin’ny toerana miafina isika ka nanidy ny varavarana, dia ny mivavaka no zavatra sarotra indrindra atao; tsy afaka mandamina ny saintsika hiasa isika, ary ny zavatra voalohany miady aminy dia ny eritreritra mirenireny. Ny ady lehibe ao amin’ny vavaka manokana dia ny fandresena ny firenirenen’ny saina[1]. Tsy maintsy ampiofanintsika ny saintsika ary ampifantohintsika amin’ny vavaka atao amin’ny finiavana.
Tsy maintsy manana toerana voafidy hivavahana isika ary rehefa tonga ao dia manomboka ny fanafihan’ny lalitra — Tsy maintsy atao ity, sy izatsy. "Hidio ny varavaranao." Ny fahanginana miafina dia midika ho fanidiana ny varavarana amin’ny fihetseham-po amim-piniavana sy fahatsiarovana an’Andriamanitra. Ao amin’ny miafina Andriamanitra, ary avy ao amin’ny toerana miafina no ahitany antsika; tsy mahita antsika tahaka ny ahitan’ny hafa antsika Izy, na tahaka ny ahitantsika ny tenantsika. Rehefa miaina ao amin’ny toerana miafina isika dia tsy afaka misalasala amin’Andriamanitra intsony, ka manjary matoky Azy mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra. Ao amin’ny miafina ny Rainao, hoy Jesosy, fa tsy any an-toeran-kafa. Midira ao amin’ny toerana miafina, ary eo afovoan’ny fanaontsika mahazatra andavanandro dia hitanao fa eo mandrakariva Andriamanitra. Ataovy fahazarana ny miresaka amin’Andriamanitra momba ny zavatra rehetra. Raha tsy mianatra manokatra mafy ny varavarana hatrany aoriana ianao amin’ny fotoana voalohany ifohazanao isan’andro ka mamela an’Andriamanitra hiditra, dia hiasa amin’ny ambaratonga diso mandritra ny andro manontolo ianao; nefa sokafy midanadana ny varavarana ary mivavaha amin’ny Rainao ao amin’ny miafina, dia ho voatomboky ny fanatrehan’Andriamanitra ny zavatra rehetra ampahibemaso.