Fisaintsainana isan’andro

NY TONDRO ARA-PANAHY

Ary iza aminareo, no olona izay raha angatahan’ny zanany mofo, dia hanome azy vato?

Matio 7:9

Ny fanoharana momba ny vavaka ampiasain’ny Tompontsika eto dia ny amin’ny zaza tsara mangataka zavatra tsara. Miresaka momba ny vavaka isika toy ny hoe mandre antsika Andriamanitra na inona na inona zava-misy amin’ny fifandraisantsika Aminy (ampitahao Matio 5:45). Aza milaza mihitsy fa tsy sitrapon’Andriamanitra ny hanome anao izay angatahinao, aza mipetraka ka reraka, fa fantaro ny antony, jereo ao amin’ny tondro[1]. Mifandray araka ny tokony ho izy amin’ny vadinao vavy ve ianao, amin’ny vadinao lahy, amin’ny zanakao, amin’ireo mpiara-mianatra aminao — "zaza tsara" ve ianao eo? "Tompo ô, efa mora tezitra sy sosotra aho, nefa tena maniry fitahiana ara-panahy aho." Tsy afaka mahazo izany ianao, tsy maintsy miaina tsy misy izany mandra-pidiranao ao amin’ny toe-tsain’ny zaza tsara.

Ataontsika ho fanoloran-tena ny fihantsiana; ataontsika ho fahafoizana ny fiadian-kevitra amin’Andriamanitra. Tsy hijery ny tondro isika. Efa nangataka tamin’Andriamanitra hanome ahy vola ho amin-javatra iray tiako ve aho kanefa misy zavatra iray mbola tsy naloako? Efa nangataka tamin’Andriamanitra fahalalahana ve aho raha tsy omeko izany ny olona iray eo ambany fiahiko? Tsy namela ny heloky ny olona iray aho; tsy tsara fanahy taminy aho; tsy niaina toy ny zanak’Andriamanitra teo anivon’ny havako sy ny sakaizako aho. (andininy 12.)

Zanak’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fahaterahana ara-panahy indray ihany aho, ary amin’ny maha-zanak’Andriamanitra ahy dia tsara ihany aho rehefa mandeha ao amin’ny mazava. Ho an’ny ankamaroantsika dia ovana ho teny ara-pivavahana miverimberina sady tsy lalina ny vavaka, raharaham-pihetseham-po izany, dia fiombonana mifono zava-miafina amin’Andriamanitra. Samy mahay mamokatra zavona ara-panahy isika rehetra. Raha mijery ao amin’ny tondro isika, dia ho hitantsika mazava tsara izay tsy mety — izany fisakaizana izany, izany trosa izany, izany toe-tsaina izany. Tsy misy soa ny mivavaka raha tsy miaina amin’ny maha-zanak’Andriamanitra antsika isika. Dia, hoy Jesosy — "Izay rehetra mangataka no mahazo."

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana