Fisaintsainana isan’andro

AZA MAMONO NY FANAHY

Aza mamono ny Fanahy.

1Tesaloniana 5:19

Malefaka tahaka ny tsio-drivotra ny feon’ny Fanahy, malefaka tokoa ka raha tsy miaina ao amin’ny fiombonana tanteraka amin’Andriamanitra ianao, dia tsy ho renao mihitsy izany. Tonga amin’ny fomba malefaka mahatalanjona indrindra ny sakana avy amin’ny Fanahy, ary raha tsy mora mamantatra ny feony ianao dia hamono izany, ka ho simba ny fiainanao ara-panahy manokana. Tonga amin’ny maha-feo tony sy malefaka mandrakariva ny sakana apetrany, kely tokoa ka tsy misy mahatsikaritra azy afa-tsy ny olo-masina.

Mitandrema raha tsy maintsy mitodika any aoriana[1] ianao ao amin’ny fijoroana ho vavolombelona manokana ka milaza hoe — "Indray mandeha, taona maro lasa izay, dia voavonjy aho." Raha mandeha ao amin’ny mazava ianao, dia tsy misy fitodihana any aoriana, fa ny lasa dia ampitaina ka manenika ny fahagagana ankehitriny amin’ny fiombonana amin’Andriamanitra. Raha miala amin’ny mazava ianao dia tonga Kristiana be fihetseham-po ka miaina amin’ny fahatsiarovana, ary misy feo henjana, toy ny metaly ny fijoroanao ho vavolombelona. Mitandrema tsy hanandrana hanampina ny fandavana mandeha ao amin’ny mazava ankehitriny amin’ny fahatsiarovana ireo fanandramana taloha fony ianao nandeha tao amin’ny mazava. Isaky ny manakana ny Fanahy, dia mijanòna ka ahitsio ilay raharaha, raha tsy izany dia hanohy hampalahelo Azy ianao nefa tsy mahalala izany.

Aoka hatao hoe nitondra anao ho amin’ny fotoan-tsarotra Andriamanitra ary saika namakivaky izany ianao nefa tsy tanteraka, dia handamina sy hahatonga izany fotoan-tsarotra izany indray amim-pikendrena Izy, nefa tsy ho maranitra tahaka ny teo aloha izany. Hihena ny fahaiza-mamantatra an’Andriamanitra ary hitombo ny fahafaham-baraka noho ny tsy fankatoavana; ary raha manohy mampalahelo ny Fanahy ianao, dia ho tonga ny fotoana izay tsy azo averina intsony izany fotoan-tsarotra izany, efa nampalahelo Azy ka nandroaka Azy ianao. Nefa raha mamakivaky izany fotoan-tsarotra izany ianao, dia hisy ny hiram-piderana fandresena ho an’Andriamanitra. Aza miombom-pihetseham-po velively amin’ilay zavatra manindrona an’Andriamanitra mandrakariva. Tsy maintsy mandratra ilay zavatra tsy maintsy miala Andriamanitra.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana