Fisaintsainana isan’andro

NY TEOLOJIAN’NY FITSAHARANA

Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana?

Matio 8:26

Rehefa matahotra isika dia tsy afaka manao zavatra latsaka noho ny mivavaka amin’Andriamanitra, nefa manan-jo ny Tompontsika hanantena fa izay manonona ny anarany dia hanana fitokiana Aminy avy amin’ny fahatakarana. Manantena Andriamanitra fa hatoky Azy tokoa ny zanany ka izy ireo no azo ianteherana amin’ny fotoan-tsarotra rehetra. Hatramin’ny teboka iray no itokiantsika amin’Andriamanitra, avy eo isika miverina amin’ny vavaky ny fikoropahana fototra ataon’izay tsy mahalala an’Andriamanitra. Tonga amin’ny fara fahaizantsika isika, ka mampiseho fa tsy manana fitokiana na kely indrindra Aminy sy amin’ny fitondrany an’izao tontolo izao; toa matory Izy, ary tsy mahita afa-tsy onja mamaky eo alohantsika isika.

"Ry kely finoana!" Endrey ny fanaintainana tsy maintsy nanindrona ny mpianatra — ‘Tsy tratra indray!’ Ary endrey ny fanaintainana hanindrona antsika rehefa tsapantsika tampoka fa ho afaka namokatra fifaliana tanteraka tao am-pon’i Jesosy isika raha nitoetra natoky Azy tanteraka, na inona na inona teo alohantsika.

Misy dingana eo amin’ny fiainana izay tsy misy tafio-drivotra, tsy misy fotoan-tsarotra, ka manao izay tsara indrindra vitan’olombelona isika; rehefa mipoitra ny fotoan-tsarotra dia izany no mampiharihary avy hatrany izay ianteherantsika. Raha efa nianatra nitsaoka an’Andriamanitra sy natoky Azy isika, dia hampiseho ny fotoan-tsarotra fa ho tonga hatrany amin’ny teboka hahavakiana isika nefa tsy ho vaky ny fitokiantsika Aminy.

Efa niresaka betsaka momba ny fanamasinana isika — inona no ho vokatr’izany rehetra izany? Tokony ho tanteraka ho fitsaharana ao amin’Andriamanitra izany izay midika firaisana amin’Andriamanitra, dia firaisana izay tsy hahatonga antsika ho tsy misy azo anomezan-tsiny eo imasony ihany, fa ho fifaliana lalina ho Azy koa.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana