Fisaintsainana isan’andro

NY ANTSO MAMPISAFOTOFOTO AVY AMIN’ANDRIAMANITRA

Ary ho tanteraka avokoa izay rehetra nosoratan’ny mpaminany momba ny Zanak’olona . . . Ary tsy azony na iray aza tamin’izany zavatra izany.

Lioka 18:31, 34

Niantso an’i Jesosy Kristy ho amin’izay toa loza tanteraka Andriamanitra. Niantso ny mpianany hahita Azy vonoina i Jesosy Kristy; nentiny teo amin’ny toerana nahavaky ny fon’izy rehetra tsirairay avy izy ireo. Tsy fahombiazana tanteraka ny fiainan’i Jesosy Kristy tamin’ny fomba fijery rehetra afa-tsy ny an’Andriamanitra. Nefa izay toa tsy fahombiazana tamin’ny fijerin’ny olona dia fandresena lehibe tamin’ny an’Andriamanitra, satria tsy fikasan’ny olona velively ny fikasan’Andriamanitra.

Tonga eo amin’ny fiainantsika koa ny antso mampisafotofoto avy amin’Andriamanitra. Tsy azo ambara mazava mivantana velively ny antson’Andriamanitra; tafiditra an-kolaka ao kosa izany. Toy ny antson’ny ranomasina ny antson’Andriamanitra, tsy misy mandre izany afa-tsy ilay manana ny toetra voajanaharin’ny ranomasina ao anatiny. Tsy azo lazaina mazava izay iantsoan’Andriamanitra, satria ny antsony dia ny hiombona Aminy ho amin’ny fikasany manokana, ary ny fitsapana dia ny finoana fa fantatr’Andriamanitra izay kendreny. Tsy sendrasendra ny zavatra mitranga, fa ao anatin’ny didin’Andriamanitra tanteraka no itrangany. Manatanteraka ny fikasany Andriamanitra.

Raha miombona amin’Andriamanitra isika ary mahatsapa fa mitondra antsika ho ao amin’ny fikasany Izy, dia tsy hiezaka hamantatra ny fikasany intsony isika. Arakaraka ny handrosoantsika eo amin’ny fiainana Kristiana no hahatsotra kokoa izany, satria tsy dia mirona hilaza intsony isika hoe — Nahoana izao Andriamanitra no namela an’izao sy izatsy? Ao ambadik’izany rehetra izany no misy ny faneren’Andriamanitra. "Misy fahefana masina mamolavola ny fiafarantsika." Ny Kristiana dia olona matoky ny faharanitan-tsaina sy ny fahendren’Andriamanitra, fa tsy ny faharanitan-tsainy manokana. Raha manana fikasana ho antsika manokana isika, dia manimba ny fahatsorana sy ny fiainana tsy maika tokony hampiavaka ny zanak’Andriamanitra izany.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana