NY FIOMBONANA MAHERY FO AMIN’ANDRIAMANITRA
“Dia nentiny niaraka Taminy ny roa ambin’ny folo lahy.”
Lioka 18:31
Endrey ny fahasahian’Andriamanitra matoky antsika! Hoy ianao — "Nefa tsy hendry Izy raha nifidy ahy, satria tsy misy na inona na inona ato anatiko; tsy misy vidiny aho." Izany indrindra no antony nifidianany anao. Raha mbola mihevitra ianao fa misy zavatra ao anatinao, dia tsy afaka mifidy anao Izy satria manana tanjonao manokana hotompoina ianao; nefa raha navelanao hitondra anao hatrany amin’ny fiafaran’ny fianteheranao amin’ny tenanao Izy dia afaka mifidy anao hiaraka Aminy hankany Jerosalema, ary izany dia hidika ho fanatanterahana fikasana izay tsy ifampidinihany aminao.
Mora amintsika ny milaza fa satria manana fahaizana voajanahary ny olona iray, dia ho Kristiana tsara izy. Tsy resaka ny fitaovana ananantsika izany fa ny fahantrantsika, tsy izay entintsika miaraka amintsika, fa izay apetrak’Andriamanitra ao anatintsika; tsy resaka hatsaran-toetra voajanahary amin’ny herin’ny toetra, ny fahalalana, sy ny fanandramana — tsy misy mahasoa amin’izany raharaha izany ireo rehetra ireo. Ny hany zavatra mahasoa dia ny fandraisana antsika ho ao amin’ny fanerena lehibe avy amin’Andriamanitra sy ny fanaovana antsika ho mpiara-dia Aminy (ampitahao 1Korintiana 1:26-30). Ireo olona mahalala ny fahantrany no mandrafitra ny fiombonan’ny mpiara-dia amin’Andriamanitra. Tsy afaka manao na inona na inona amin’ny olona mihevitra fa mahasoa an’Andriamanitra izy Izy. Amin’ny maha-Kristiana antsika dia tsy mikatsaka ny raharahantsika manokana velively isika, fa mikatsaka ny raharahan’Andriamanitra, izay tsy afaka ny ho raharahantsika mihitsy. Tsy fantatsika izay kendren’Andriamanitra, nefa tsy maintsy tazonintsika ny fifandraisantsika Aminy na inona na inona mitranga. Tsy tokony hamela zavatra hanimba ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra mihitsy isika; raha simba izany dia tsy maintsy maka fotoana ka manitsy azy. Tsy ny asa ataontsika no tena zava-dehibe amin’ny fivavahana Kristiana, fa ny fifandraisana tazonintsika sy ny rivo-piainana vokarin’izany fifandraisana izany. Izany ihany no angatahin’Andriamanitra hokarakaraintsika, ary io no zavatra tokana iharan’ny famelezana tsy tapaka.