NY FANERENA LEHIBE AVY AMIN’ANDRIAMANITRA
“Indro, miakatra ho any Jerosalema isika.”
Lioka 18:31
Eo amin’ny fiainan’ny Tompontsika dia i Jerosalema no toerana nahatratrarany ny fara tampon’ny sitrapon’ny Rainy. "Tsy ny sitrapoko no tadiaviko, fa ny sitrapon’ny Ray Izay naniraka Ahy." Izany no fiahiana tokana nanjakazaka nandritra ny fiainan’ny Tompontsika manontolo, ary ireo zavatra sendrany teny an-dalana, na fifaliana na alahelo, na fahombiazana na tsy fahombiazana, dia tsy nampihemotra Azy hiala amin’ny fikasany velively. "Nampitodika tsy azo nohozongozonina ny tavany hankany Jerosalema Izy."
Ny zava-dehibe tokony hotsaroana dia ny fiakarantsika ho any Jerosalema mba hanatanteraka ny fikasan’Andriamanitra, fa tsy ny antsika. Araka ny voajanahary, antsika ny fanirian-dazantsika; eo amin’ny fiainana Kristiana dia tsy manana tanjona ho antsika isika. Betsaka tokoa ankehitriny ny resaka momba ny fanapahan-kevitsika ho an’i Kristy, ny finiavantsika ho Kristiana, ny fanapahan-kevitsika ho an’izao sy izatsy, nefa ny lafin’ny fanerena avy amin’Andriamanitra no asongadina ao amin’ny Testamenta Vaovao. "Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo." Tsy raisina ho amin’ny fifanarahana tsapantsika amin’ny fikasan’Andriamanitra isika, fa raisina ho ao amin’ny fikasan’Andriamanitra nefa tsy fantatsika akory izany. Tsy azontsika an-tsaina izay kendren’Andriamanitra, ary arakaraka ny handrosoantsika no vao mainka manjary manjavozavo izany. Toa diso lasibatra ny tanjon’Andriamanitra satria fohy loatra ny fahitantsika ka tsy hitantsika izay kendreny. Eo am-piandohan’ny fiainana Kristiana dia manana ny hevitsika manokana momba ny fikasan’Andriamanitra isika — ‘Voatendry handeha etỳ na erỳ aho,’ ‘Niantso ahy hanao ity asa manokana ity Andriamanitra’; ary mandeha manao izany zavatra izany isika, nefa mbola mitoetra ilay fanerena lehibe avy amin’Andriamanitra. Tsy misy lanjany ny asa ataontsika, fa toy ny tohana fanorenana be fotsiny raha ampitahaina amin’ny fanerena lehibe avy amin’Andriamanitra. "Nentiny niaraka Taminy ny roa ambin’ny folo lahy," dia mitondra antsika mandrakariva Izy. Mbola misy zavatra mihoatra noho izay efa tratrantsika.