NY HAZOFIJALIANA AO AMIN’NY VAVAKA
“Amin’izany andro izany dia hangataka amin’ny anarako ianareo.”
Jaona 16:26
Mora loatra amintsika ny mihevitra ny Hazofijaliana ho zavatra tsy maintsy lalovantsika; mandalo azy isika mba hidirana ao anatiny ihany. Zavatra tokana ihany no asehon’ny Hazofijaliana amintsika — firaisana feno sy manontolo ary tanteraka amin’i Jesosy Kristy Tompo, ary tsy misy zavatra hafa izay hampanjary izany firaisana izany ho tena zava-misy mihoatra noho ny vavaka.
"Fantatry ny Rainareo izay ilainareo, raha tsy mbola mangataka Aminy aza ianareo." Koa nahoana no mangataka? Tsy ny hahazoana valiny avy amin’Andriamanitra no hevitra fonosin’ny vavaka; firaisana tonga lafatra sy feno amin’Andriamanitra ny vavaka. Raha mivavaka satria maniry valiny isika, dia ho sosotra amin’Andriamanitra. Tonga isaky ny mandeha ny valiny, nefa tsy amin’ny fomba andrasantsika mandrakariva, ary ny fahasosorantsika ara-panahy dia mampiseho ny fandavana hampiray ny tenantsika amin’ny Tompontsika ao amin’ny vavaka. Tsy eto isika mba hanaporofo fa mamaly vavaka Andriamanitra; eto isika mba ho tsangambato velon’ny fahasoavan’Andriamanitra.
"Tsy milaza Aho fa hangataka amin’ny Ray ho anareo: fa ny Ray mihitsy no tia anareo." Efa nahatratra fifandraisana akaiky toy izany amin’Andriamanitra ve ianao ka ny fiainam-bavak’i Jesosy Kristy Tompo ihany no fanazavana ny fiainam-bavakao? Efa tonga fiainanao velona ve ny fiainan’ny Tompontsika misolo toerana ny hafa? "Amin’izany andro izany" dia ho tafaray amin’i Jesosy tanteraka ianao ka tsy hisy fanavahana.
Rehefa toa tsy voavaly ny vavaka, dia mitandrema tsy hanandrana hametraka ny tsiny amin’olon-kafa. Fandrik’i Satana foana izany. Ho hitanao fa misy antony izay fampianarana lalina ho anao, fa tsy ho an’olon-kafa.