ZAVATRA FANAMPINY MOMBA NY LALANY
“Ary rehefa vitan’i Jesosy ny nandidy ny mpianany, dia niala teo Izy mba hampianatra sy hitory teny tao amin’ny tanànan’izy ireo.”
Matio 11:1.
Tonga eo amin’izay andidiany antsika hiala Izy.
Raha nijanona ianao rehefa nilaza Andriamanitra hoe "Mandehana," satria niahiahy fatratra momba ny olonao tany an-trano, dia norobainao tamin’izy ireo ny fampianarana sy ny fitorian’i Jesosy Kristy mihitsy. Rehefa nankatò ianao ka namela ny vokatra rehetra tamin’Andriamanitra, dia niditra tao an-tanànanao hampianatra ny Tompo; raha mbola tsy nety nankatò ianao, dia nanakana ny lalana. Tandremo ny toerana anombohanao miady hevitra sy mampifaninana izay antsoinao hoe adidy amin’ny didin’ny Tomponao. "Fantatro fa nilaza tamiko Izy mba handeha, nefa teto kosa ny adidiko;" midika izany fa tsy mino ianao hoe izay lazain’i Jesosy no tena tiany holazaina.
Mampianatra eo amin’izay ananarany antsika tsy hanao izany Izy.
"Mpampianatra ô, . . . aoka izahay hanao tabernakely telo."
Manao ny tenantsika ho fitondran’Andriamanitra ara-panahy tsy matihanina eo amin’ny fiainan’ny hafa ve isika? Mitabataba be amin’ny fampianarantsika ny hafa ve isika ka tsy afaka manakaiky azy ireo Andriamanitra? Tsy maintsy akombontsika ny vavantsika ary ataontsika mailo ny fanahintsika. Te hampianatra antsika momba ny Zanany Andriamanitra, te hanova ny fotoam-bavaka ataontsika ho tendrombohitry ny fiovan-tarehy Izy, nefa tsy avelantsika Izy. Rehefa azontsika antoka ny fomba hiasan’Andriamanitra, dia tsy hiasa amin’izany fomba izany intsony Izy.
Miasa eo amin’izay anirahany antsika hiandry Izy.
"Mitoera ianareo . . . mandra-pahatongan’ny . . ." Miandrasa an’Andriamanitra dia hiasa Izy, nefa aza miandry ao anatin’ny fahasosorana mangina ara-panahy satria tsy mahita na dia iray santimetatra eo anoloanao aza ianao! Tafasaraka ampy amin’ny fikoropahana ara-panahintsika manokana ve isika ka afaka miandry an’Andriamanitra? Tsy mipetraka miforitra tanana ny miandry, fa mianatra manao izay lazaina amintsika.
Ireo no dingana amin’ny lalany izay mahalana no tsikaritsika.