MANDRA-PAHATONGANAO HO AZY TANTERAKA
“Aoka ny fiaretanareo ho vokatra vita, mba ho vita sy tanteraka ianareo, ka tsy hanam-pahadisoana na oviana na oviana.”
Jakoba 1:4 (MOFFATT)
Maro amintsika no mahitsy amin’ny ankapobeny, nefa misy lafiny sasany izay tsy voakarakara tsara. Tsy resaka fahotana izany, fa ny sisa amin’ny fiainana araka ny nofo izay mora mahatonga antsika tsy hikarakara tsara. Ompa ny Fanahy Masina ny tsy fahakarakarana. Tsy tokony hisy zavatra tsy voakarakara tsara, na amin’ny fomba fihinanantsika sy fisotroantsika izany, na amin’ny fomba itsaohantsika an’Andriamanitra.
Tsy ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra ihany no tsy maintsy mahitsy, fa tsy maintsy mahitsy koa ny fisehoana ivelan’izany fifandraisana izany. Amin’ny farany dia tsy hamela na inona na inona handositra Andriamanitra, fa ny tsipiriany rehetra dia eo ambanin’ny fandinihany. Amin’ny fomba tsy tambo isaina no hamerenan’Andriamanitra antsika amin’ilay teboka iray ihany hatrany hatrany. Tsy sasatra mitondra antsika eo amin’ilay teboka iray Izy mandra-pianarantsika ny lesona, satria mamokatra ny vokatra vita Izy. Mety ho resaka fihetsehana tampoka izany, ary imbetsaka, miaraka amin’ny faharetana maharitra indrindra, no namerenan’Andriamanitra antsika teo amin’ilay teboka iray manokana; na mety ho firenirenen’ny saina[1], na maha-izy azy manokana mahaleo tena. Miezaka mampahatsapa antsika ilay zavatra iray izay tsy mahitsy tanteraka Andriamanitra.
Nandalo fotoana mahatalanjona isika tamin’ity Fotoam-pivoriana ity momba ny fanambarana ny fanavotan’Andriamanitra, ary tanteraka Aminy ny fontsika; mampahafantatra antsika ny asany mahatalanjona ao anatintsika fa mahitsy Aminy amin’ny ankapobeny isika. "Ankehitriny," hoy ny Fanahy, amin’ny alalan’i Masindahy Jakoba, "aoka ny fiaretanareo ho vokatra vita." Jereo ireo ampahany tsy voakarakara — "Ah, tsy maintsy ho ampy aloha izany amin’izao." Na inona na inona izany, dia hotondroin’Andriamanitra amim-pikirizana mandra-pahatongantsika ho Azy tanteraka.