Fisaintsainana isan’andro

NY FAMPIOFANANA AMIN’NY FIALANA AMIN’NY HEVI-DISO

Tsy nanankina ny tenany tamin’izy ireo i Jesosy satria fantany izay tao anatin’ny olona.

Jaona 2:24-25

Ny fialana amin’ny hevi-diso dia midika fa tsy misy fitsarana diso intsony eo amin’ny fiainana. Ny fahafahana amin’ny fitaka noho ny fialana amin’ny hevi-diso dia mety hamela antsika ho be ahiahy sy henjana tsy misy hatsaram-panahy amin’ny fitsarana ny hafa, fa ilay fialana amin’ny hevi-diso avy amin’Andriamanitra kosa mitondra antsika ho amin’ny toerana izay ahitantsika ny lehilahy sy ny vehivavy araka ny tena maha-izy azy, nefa tsy misy ahiahy mandratra, ary tsy manana zavatra manindrona, mangidy holazaina isika. Maro amin’ireo zavatra masiaka eo amin’ny fiainana no mipoitra avy amin’ny fijaliantsika noho ny hevi-diso. Tsy mifampitondra araka ny zava-misy isika; ny hevitsika momba ny tsirairay ihany no itondrantsika tena. Na mahafinaritra sy tsara ny zavatra rehetra, na ratsy sy feno kanosa, araka ny hevitsika.

Ny fandavana hiala amin’ny hevi-diso no anton’ny ampahany lehibe amin’ny fijaliana eo amin’ny fiainan’olombelona. Toy izao no fiasan’izany — raha tia olombelona iray isika ka tsy tia an’Andriamanitra, dia takiantsika aminy ny fahatanterahana sy ny fahitsiana rehetra, ary rehefa tsy azontsika izany dia manjary masiaka sy mamaly faty isika; mitaky amin’ny olombelona izay tsy hainy omena isika. Iray ihany no Olona afaka manome fahafaham-po ilay hantsana farany marary ao amin’ny fon’olombelona, ary Izy no i Jesosy Kristy Tompo. Ny antony isehoan’ny Tompontsika ho henjana tokoa momba ny fifandraisan’olombelona rehetra dia ny fahafantarany fa hiafara amin’ny loza ny fifandraisana rehetra tsy miorina amin’ny fahatokiana Azy. Tsy natoky olona ny Tompontsika, nefa tsy niahiahy velively Izy, ary tsy nangidy. Tena tanteraka ny fitokian’ny Tompontsika tamin’Andriamanitra sy tamin’izay azon’ny fahasoavany natao ho an’ny olona rehetra, ka tsy namoy fo tamin’iza na iza Izy. Raha apetraka amin’ny olombelona ny fitokiantsika, dia hiafara amin’ny famoizam-po amin’ny olona rehetra isika.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana