TOE-PANAHY SY ASA ATAO
“Raha tsy mihoatra noho ny fahamarinan’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo.”
Matio 5:20
Tsy ny fanaovany zavatra tsara no mampiavaka ny mpianatra, fa ny maha-tsara ny antony manosika azy satria efa nataon’ny fahasoavan’Andriamanitra mihoatra ny voajanahary ho tsara izy. Ny hany zavatra mihoatra ny fanaovana ny marina dia ny maha-marina. Tonga i Jesosy Kristy mba hametraka lova vaovao mihoatra noho ny fahamarinan’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ao amin’izay olona manaiky hamela Azy hanao izany. Hoy Jesosy — Raha mpianatro ianao dia tsy maintsy mahitsy tsy eo amin’ny fiainanao ihany, fa eo amin’ny antony manosika anao, eo amin’ny nofinao, eo amin’ny takona lalina ao an-tsainao. Tsy maintsy madio tokoa ny antony manosika anao ka tsy hahitan’Andriamanitra Tsitoha na inona na inona tokony hananarana. Iza no afaka mijoro ao amin’ny Fahazavan’Andriamanitra Mandrakizay ka tsy hisy na inona na inona hananaran’Andriamanitra azy? Ny Zanak’Andriamanitra ihany, ary manambara i Jesosy Kristy fa amin’ny alalan’ny fanavotany dia afaka mametraka ny toe-panahy manjaka ao anatiny manokana ao amin’izay olona rehetra Izy, ka hahatonga azy tsy misy loto sy tsotra tahaka ny zaza. Tsy azo atao ny fahadiovana takin’Andriamanitra raha tsy afaka foronina indray ao anatiko aho, ary izany no noraisin’i Jesosy ho andraikiny hatao amin’ny alalan’ny fanavotany.
Tsy misy olona afaka manadio ny tenany amin’ny fankatoavana lalàna. Tsy manome fitsipika sy lalàna antsika i Jesosy Kristy; fahamarinana tsy azo hazavaina afa-tsy amin’ny alalan’ny toe-panahy manjaka apetrany ao anatiny ny fampianarany. Ny fahagagana lehibe amin’ny famonjen’i Jesosy Kristy dia ny fanovany ny lova. Tsy ovany ny toetran’olombelona; ovany ny loharanon-kery manosika azy.