SAMBATRA TOY IZAO VE AHO?
“Sambatra izay . . .”
Matio 5:3-10
Rehefa mamaky voalohany ny fanambaran’i Jesosy isika dia toa tsotra mahatalanjona sy tsy manaitra izany, ary milentika tsy tsikaritra ao amin’ny saintsika tsy mahatsiaro tena. Ohatra, ny Fahasambarana dia toa fitsipika malefaka sy tsara tarehy fotsiny ho an’ny olona rehetra tsy an’izao tontolo izao sady tsy mahasoa, nefa kely dia kely ny fampiasana azy amin’ny asa mafy andavanandro eto amin’ity tontolo iainantsika ity. Tsy ela, anefa, dia hitantsika fa misy ny dinamitan’ny Fanahy Masina ao amin’ny Fahasambarana. Mipoaka izany, toy ny hoe, rehefa manosika azy hanao izany ny toe-javatra eo amin’ny fiainantsika. Rehefa mampahatsiaro antsika ny iray amin’ireo Fahasambarana ireo ny Fanahy Masina dia hoy isika — ‘Fanambarana manaitra tokoa izany!’ ary tsy maintsy manapa-kevitra isika na hanaiky ilay fikorontanana ara-panahy lehibe dia lehibe hateraky ny fankatoavana ny teniny eo amin’ny toe-javatra misy antsika. Izany no fomba fiasan’ny Fanahin’Andriamanitra. Tsy mila ateraka indray isika vao mampihatra ara-bakiteny ny Toriteny teo an-tendrombohitra. Kilalaon-jaza ny fanazavana ara-bakiteny ny Toriteny teo an-tendrombohitra; ny fanazavan’ny Fanahin’Andriamanitra kosa rehefa ampihariny amin’ny toe-javatra misy antsika ireo fanambaran’ny Tompontsika dia asa mafy ataon’ny olo-masina.
Tsy mifandanja velively amin’ny fomba fijerintsika voajanahary ny zavatra ny fampianaran’i Jesosy ary miaraka amin’ny tsy fahazoana aina manaitra izany amin’ny voalohany. Tsy maintsy volavolaintsika miadana hifanaraka amin’ny fitsipik’i Jesosy Kristy ny fandehantsika sy ny fomba fiainantsika[1] araka ny ampiharan’ny Fanahy Masina izany amin’ny toe-javatra misy antsika. Tsy fitambarana fitsipika sy lalàna ny Toriteny teo an-tendrombohitra: fanambarana ny fiainana izay hiainantsika rehefa mahazo manatanteraka ny sitrapony amintsika ny Fanahy Masina izany.