Fisaintsainana isan’andro

NY ZAVA-MIAFIN’NY FINOANA

Ary hoy izy, Iza moa Ianao, Tompoko?

Asan’ny Apostoly 9:5

Tamin’ny alalan’ny fahagagan’ny fanavotana no nanovana an’i Saoly avy any Tarsosy tao anatin’ny indray mipi-maso, avy amin’ny Fariseo nafana fo sy be sitrapo, ho andevon’i Jesosy Tompo manetry tena sy mahafoy tena.

Tsy misy mahagaga amin’ireo zavatra azontsika hazavaina. Fehezintsika izay zavatra haintsika hazavaina, koa voajanahary ny mikatsaka fanazavana. Tsy voajanahary ny mankatò; ary tsy voatery ho fahotana koa ny tsy mankatò. Tsy misy hatsaram-pitondrantena ao amin’ny fankatoavana raha tsy ekena fa manana fahefana ambony kokoa ilay mandidy. Mety ho fanafahana ho an’ilay olona hafa ny tsy fankatoavany. Raha miteny amin’ny hafa ny olona iray — ‘Tsy maintsy ianao,’ ary — ‘Hanao ianao,’ dia torotoroiny ny fanahin’olombelona ka ataony tsy sahaza ho an’Andriamanitra. Andevo noho ny fankatoavana ny olona raha tsy misy fanekena an’Andriamanitra masina ao ambadik’izany fankatoavany izany. Fanahy maro no manomboka manatona an’Andriamanitra rehefa manary ny maha-mpivavaka azy, satria iray ihany no Tompon’ny fon’olombelona, ary tsy ny fivavahana izany fa i Jesosy Kristy. Nefa lozako raha mahita Azy aho ka milaza — tsy hanaiky aho. Tsy hanery ahy hanao izany velively Izy, nefa efa manomboka manao sonia ny didim-pahafatesan’ny Zanak’Andriamanitra ao amin’ny fanahiko aho. Rehefa mijoro mifanatrika amin’i Jesosy Kristy aho ka milaza — tsy hanaiky aho, dia tsy hanery ahy velively Izy; nefa mihemotra lavitra ny hery mamorona indray ananan’ny fanavotany aho. Tsy manova na inona na inona amin’ny fahasoavan’Andriamanitra ny fahavetavetako raha manatona ny mazava aho; nefa lozako raha mandà ny mazava aho (jereo Jaona 3:19-21).

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana