NY HEVITRA AO AN-TSAINA MOMBA NY FANAPAHAN’ANDRIAMANITRA
“Mainka fa ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an’izay mangataka Aminy?”
Matio 7:11
Mametraka fitsipi-pitondrantena ho an’izay manana ny Fanahiny i Jesosy. Amin’ny alalan’ny fanjohian-kevitra tsotra ao amin’ireo andininy ireo dia mampirisika antsika Izy hameno ny saintsika amin’ny hevitra ao an-tsaina fa ao ambadiky ny zavatra rehetra ny fanapahan’Andriamanitra, izay midika fa tsy maintsy mitahiry toe-tsaina feno fitokiana tanteraka sy fahazotoana mangataka sy mitady ny mpianatra.
Mamoròna ao an-tsainao ny hevitra fa eo Andriamanitra. Raha vao voavolavola araka izany zotra izany ny saina, dia mora tahaka ny miaina ny mahatsiaro rehefa ao anatin’ny fahasahiranana ianao — Indro, fantatry ny Raiko avokoa izany rehetra izany! Tsy ezaka izany, fa tonga ho azy rehefa manindry ny fisafotofotoana. Taloha, ianao dia nankany amin’ity olona ity sy izatsy, fa izao kosa dia miforona amin-kery lehibe ao anatinao ny hevitra ao an-tsaina momba ny fanapahan’Andriamanitra ka manatona an’Andriamanitra momba izany ianao. Mametraka ny fitsipi-pitondrantena ho an’izay manana ny Fanahiny i Jesosy, ary izao no foto-kevitra iasany — Andriamanitra no Raiko, tia ahy Izy, tsy hieritreritra zavatra izay hohadinoiny mihitsy aho, nahoana aho no hanahy?
Misy fotoana, hoy Jesosy, izay tsy ahafahan’Andriamanitra manaisotra ny haizina aminao, nefa matokia Azy. Hiseho ho sakaiza tsy tsara fanahy Andriamanitra, nefa tsy izany Izy; hiseho ho Ray tsy araka ny tokony ho izy Izy, nefa tsy izany Izy; hiseho ho mpitsara tsy marina Izy, nefa tsy izany Izy. Hazòny ho mafy sy mitombo ao an-tsaina ny hevitra fa ao ambadiky ny zavatra rehetra ny sain’Andriamanitra. Tsy misy na inona na inona mitranga amin’ny lafiny manokana raha tsy ao ambadik’izany ny sitrapon’Andriamanitra, koa afaka mitsahatra amin’ny fitokiana tanteraka Aminy ianao. Tsy fangatahana fotsiny ny vavaka, fa toe-tsaina izay mamokatra rivo-piainana mahatonga ny fangatahana ho zavatra mandeha ho azy tanteraka. "Mangataha, dia homena anao."