NY FOTO-KEVITRY NY HAJA ARA-PANAHY
“Manan-trosa amin’ny Grika, sy amin’ny barbariana aho.”
Romana 1:14
Tototry ny fahatsapana ny trosany tamin’i Jesosy Kristy i Paoly, ary nandany ny tenany mba hanehoana izany izy. Ny hery lehibe nanentana ny fiainan’i Paoly dia ny fahitany an’i Jesosy Kristy ho tompon-trosany ara-panahy. Mahatsapa izany trosa amin’i Kristy izany ve aho manoloana ny fanahy tsirairay tsy mbola voavonjy? Ny haja ara-panahy amin’ny fiainako amin’ny maha-olo-masina ahy dia ny manefa ny trosako amin’i Kristy eo amin’ny fifandraisako amin’izy ireo. Ny sombiny rehetra sarobidy amin’ny fiainako dia trosako amin’ny fanavotan’i Jesosy Kristy; manao zavatra ve aho mba hahafahany mitondra ny fanavotany hiseho ho tena zava-misy ao amin’ny fiainan’ny hafa? Tsy afaka manao izany aho raha tsy rehefa volavolain’ny Fanahin’Andriamanitra ao anatiko izany fahatsapana trosa izany.
Tsy tokony ho olona ambony noho ny hafa eo anivon’ny olona aho, fa andevo voafatotra mandritra ny androm-piainana amin’i Jesosy Tompo. "Tsy anareo ny tenanareo." Nivarotra ny tenany tamin’i Jesosy Kristy i Paoly. Hoy izy — Manan-trosa amin’ny olona rehetra etỳ ambonin’ny tany aho noho ny Filazantsaran’i Jesosy; afaka ny ho andevo tanteraka ihany aho. Izany no mampiavaka ny fiainana rehefa tsapa io foto-kevitry ny haja ara-panahy io. Atsaharo ny mivavaka momba ny tenanao ary lanio ho an’ny hafa ny tenanao amin’ny maha-andevo voafatotra mandritra ny androm-piainana amin’i Jesosy. Izany no tena dikan’ny fanaovana antsika ho mofo voavaky sy divay nararaka.