NY KAONTY AMIN’NY FANENJEHANA
“Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe, Aza manohitra ny ratsy; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny ilany.”
Matio 5:39, sns
Mampiharihary ny fanalam-baraka amin’ny maha-Kristiana ireo andininy ireo. Araka ny voajanahary, raha tsy mamaly kapoka ny olona iray, dia satria kanosa izy; nefa ara-panahy kosa raha tsy mamaly kapoka ny olona iray, dia fisehoan’ny Zanak’Andriamanitra ao anatiny izany. Rehefa ompa ianao, dia tsy hoe tsy tokony hitahiry lolompo fotsiny, fa tsy maintsy ataonao fotoana hanehoana ny Zanak’Andriamanitra izany. Tsy afaka maka tahaka ny toe-panahy manjaka tao amin’i Jesosy ianao; na ao izany na tsy ao. Ho an’ny olo-masina dia tonga fotoana hanehoana ny hamamiana tsy mampino an’i Jesosy Tompo ny ompa manokana.
Tsy izao no fampianaran’ny Toriteny teo an-tendrombohitra — Ataovy ny adidinao, fa izao kosa — Ataovy izay tsy adidinao. Tsy adidinao ny mandeha ny maily faharoa, na manolotra ny takolaka ilany, nefa hoy Jesosy fa raha mpianany isika dia hanao ireo zavatra ireo mandrakariva. Tsy hisy ny toe-tsaina manao hoe — "Eny, ary, tsy afaka manao mihoatra intsony aho, satria naseho tamin’ny fomba diso sady tsy azon’ny olona mihitsy aho." Isaky ny miziriziry amin’ny zoko aho, dia mandratra ny Zanak’Andriamanitra; nefa azoko sakanana tsy haratra i Jesosy raha izaho no mandray ny kapoka. Izany no dikan’ny famenoana izay sisa tavela amin’ny fahorian’i Kristy. Tsapan’ny mpianatra fa ny voninahitry ny Tompony no tandindomin-doza ao amin’ny fiainany, fa tsy ny voninahiny manokana.
Aza mitady fahitsiana velively ao amin’ny olona hafa, fa aza mitsahatra ho mahitsy ny tenanao. Mitady ny rariny foana isika; izao no fampianaran’ny Toriteny teo an-tendrombohitra — Aza mitady ny rariny velively, fa aza mitsahatra manome izany.