NY OLO-MASINA ARA-PANAHY
“Mba hahalalako Azy.”
Filipiana 3:10
Tsy mitodika any amin’ny fampanjary ny tena ny fandraisana andraikitry ny olo-masina, fa any amin’ny fahalalana an’i Jesosy Kristy. Tsy mino velively ny olo-masina ara-panahy fa kisendrasendra ny toe-javatra, na mihevitra ny fiainany ho mizara amin’ny tsy ara-pivavahana sy ny masina; hitany ho fitaovana ahazoana fahalalana an’i Jesosy Kristy ny toe-javatra rehetra anipazana azy. Misy fahafoizana tsy misaina ny vokany ao aminy. Tapa-kevitra ny Fanahy Masina fa hampanjary an’i Jesosy Kristy ho tena zava-misy eo amin’ny lafim-piainana rehetra isika, ary haveriny hatrany amin’ilay toerana iray ihany isika mandra-panaovantsika izany. Mitarika ho amin’ny fametrahana ny asa eo amin’ny seza fiandrianana ny fampanjary ny tena; ny olo-masina kosa mametraka an’i Jesosy Kristy eo amin’ny seza fiandrianana ao amin’ny asany. Na fihinanana izany na fisotroana na fanasana ny tongotry ny mpianatra, na inona na inona izany, dia tsy maintsy mandray andraikitra isika hampanjary an’i Jesosy Kristy ho tena zava-misy ao anatiny. Manana izay mifamaly aminy ao amin’ny fiainan’i Jesosy ny dingana rehetra amin’ny fiainantsika tena misy. Nampanjary ny fifandraisany tamin’ny Ray ho tena zava-misy ny Tompontsika na dia tamin’ny asa ambany indrindra aza. "Fantatr’i Jesosy . . . fa avy tamin’Andriamanitra Izy, sady hankany amin’Andriamanitra . . . dia naka lamba famaohana . . . ka nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra."
Ny tanjon’ny olo-masina ara-panahy dia ny "mba hahalalako Azy." Fantatro ve Izy eto amin’izay misy ahy anio? Raha tsia, dia mamadika Azy aho. Tsy eto aho mba hampanjary ny tenako, fa mba hahalala an’i Jesosy. Eo amin’ny asa Kristiana dia matetika loatra ny fahatsapana fa misy zavatra tsy maintsy atao ary izaho no tsy maintsy manao azy no mitarika ny fandraisana andraikitra. Tsy izany velively no toe-tsain’ny olo-masina ara-panahy, fa ny tanjony dia ny hahazoana mampanjary an’i Jesosy Kristy ho tena zava-misy amin’ny toe-javatra rehetra misy azy.