NY KAMO ARA-PANAHY
“Aoka isika hifampandinika hamporisika ny fitiavana sy ny asa tsara; ka tsy mahafoy ny fiarahantsika miangona.”
Hebreo 10:24-25
Samy mety ho kamo ara-panahy isika rehetra; tsy te hifangaro amin’ny korontana sy fifampikasohana eo amin’ny fiainana araka ny tena maha-izy azy isika, fa ny hany tanjontsika dia ny hahazo fitokana-monina. Ny feo asongadin’ny Hebreo 10 dia ny fifamporisihana sy ny fiarahana mitoetra — samy mitaky fandraisana andraikitra ireo, dia ny fandraisana andraikitra hampanjary an’i Kristy ho tena zava-misy eo amin’ny fiainana, fa tsy ny fampanjary ny tena. Ny miaina fiainana lavitra, mitoka-monina, ary mihidy dia mifanohitra tanteraka amin’ny fiainana ara-panahy araka ny nampianarin’i Jesosy Kristy azy.
Tonga ny fitsapana ny maha-ara-panahy antsika rehefa mifanehitra amin’ny tsy rariny sy ny hasomparana ary ny tsy fankasitrahana sy ny korontana isika, izay samy manana fironana hahatonga antsika ho kamo ara-panahy. Tiantsika hampiasaina mba hahazoana fitokana-monina ny vavaka sy ny famakiana Baiboly. Ampiasaintsika Andriamanitra mba hahazoana fiadanana sy fifaliana, izany hoe, tsy te hampanjary an’i Jesosy Kristy ho tena zava-misy isika, fa ny fahafinaretantsika Aminy ihany. Izany no dingana voalohany mankany amin’ny lalana diso. Vokatra avokoa ireo zavatra ireo nefa ezahintsika hatao antony.
"Heveriko fa mety," hoy Petera, ". . . ny hanaitra anareo amin’ny fampahatsiahivana." Zavatra tena manelingelina ny voadona eo amin’ny taolan-tehezana noho ny olona iray ampiasain’Andriamanitra hanaitra, dia olona iray feno asa ara-panahy. Tsy zavatra iray ihany ny asa mavitrika sy ny asa ara-panahy. Mety ho sandoka misolo ny asa ara-panahy ny asa mavitrika. Ny loza amin’ny hakamoana ara-panahy dia ny tsy faniriantsika hohetsehina, fa izay rehetra tiantsika ho re dia momba ny fitokana-monina ara-panahy. Tsy mampirisika velively ny hevitra momba ny fitokana-monina i Jesosy Kristy — "Mandehana lazao amin’ny rahalahiko . . ."