Fisaintsainana isan’andro

NY FANDINIHANA LALINA LEHIBE

Tsy mahay manompo ny Tompo ianareo.

Josoa 24:19

Miantehitra na dia kely indrindra aza amin-javatra hafa ankoatra an’Andriamanitra ve ianao? Mbola misy sisa amin’ny fiankinana amin’ny hatsaran-toetra voajanahary, na amin’ny toe-javatra iray ve? Miantehitra amin’ny tenanao amin’ny lafiny manokana iray ve ianao manoloana ity raharaha vaovao napetrak’Andriamanitra teo anoloanao ity? Izany no dikan’ilay fandinihana lalina. Tena marina ny milaza hoe — "Tsy afaka miaina fiainana masina aho," nefa afaka manapa-kevitra ianao hamela an’i Jesosy Kristy hanamasina anao. "Tsy mahay manompo ny Tompo Andriamanitra ianareo"; nefa afaka mametraka ny tenanao eo amin’izay hahafahan’ny hery tsitoha an’Andriamanitra miasa amin’ny alalanao ianao. Mahitsy tsara eo anatrehan’Andriamanitra ve ianao ka afaka miandry Azy hampiseho ny fiainany mahatalanjona ao anatinao?

"Tsia, fa hanompo ny Tompo ihany izahay." Tsy fihetsehana tampoka izany, fa fanoloran-tena niniana natao. Hoy ianao — Tsy ho niantso ahy ho amin’izao mihitsy Andriamanitra, tsy mendrika loatra aho, tsy mety ho izaho. Ianao tokoa no tiany holazaina, ary arakaraka ny maha-malemy sy osa anao, no maha-tsara kokoa. Izay manana zavatra ianteherana no olona farany indrindra hanakaiky ny filazana hoe — "Hanompo ny Tompo aho."

Hoy isika — "Raha mba tena afaka mino aho!" Izao no tena hevitra — Raha tena manapa-kevitra ny hino aho. Tsy mahagaga raha asongadin’i Jesosy Kristy mafy toy izany ny fahotan’ny tsy finoana. "Ary tsy nanao asa lehibe maro teo Izy noho ny tsi-finoan’ireo." Raha tena nino isika fa izay nolazain’Andriamanitra no tiany holazaina — ho nanao ahoana re isika! Sahiko ve ny mamela an’Andriamanitra ho amiko izay rehetra lazainy fa ho Izy?

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana