Fisaintsainana isan’andro

NY SITRAPO HITOETRA HO MAHATOKY

Fidio anio izay hotompoinareo.

Josoa 24:15

Ny sitrapo dia ny maha-olona manontolo rehefa miasa. Tsy afaka mamoy ny sitrapoko aho, fa tsy maintsy mampiasa azy. Tsy maintsy mikasa hankatò aho, ary tsy maintsy mikasa handray ny Fanahin’Andriamanitra. Rehefa manome fahitana ny fahamarinana Andriamanitra dia tsy resaka izay hataony velively izany, fa izay hataontsika. Nametraka raharaha lehibe sasany teo anoloantsika rehetra ny Tompo, ary ny tsara indrindra atao dia ny mahatsiaro izay nataonao fony nokasihin’Andriamanitra ianao taloha — tamin’ny fotoana namonjena anao, na nahitanao an’i Jesosy voalohany, na nahatsapanao fahamarinana iray. Mora tamin’izay ny nanaiky hanolo-tena amim-pahatokiana amin’Andriamanitra; tsarovy izao ireo fotoana ireo rehefa mametraka raharaha vaovao iray eo anoloanao ny Fanahin’Andriamanitra.

"Fidio anio izay hotompoinareo." Fanapahan-kevitra voahevitra tsara izany, fa tsy zavatra idiranao tsikelikely mora foana; ary miandry avokoa ny zavatra hafa rehetra mandra-pandraisanao fanapahan-kevitra. Eo aminao sy Andriamanitra ilay raharaha; aza maka hevitra amin’ny nofo aman-dra momba izany. Isaky ny misy raharaha vaovao dia vao mainka "tsy tafiditra ao," ny olon-kafa ary eo no misy ny fihenjanana. Avelan’Andriamanitra hanan-danja aminao ny hevitry ny olo-masiny, nefa dia vao mainka ianao entina hiala amin’ny fahazoana antoka fa takatry ny hafa ilay dingana raisinao. Tsy anjaranao ny mamantatra izay itarihan’Andriamanitra anao, fa ny tenany ihany no hany zavatra hazavain’Andriamanitra aminao.

Ambarao Aminy — ‘Hitoetra ho mahatoky aho.’ Raha vao misafidy ny hitoetra ho mahatoky amin’i Jesosy Kristy ianao, dia tonga vavolombelona manohitra ny tenanao. Aza maka hevitra amin’ny Kristiana hafa, fa ambarao eo anatrehany — Hanompo Anao aho. Manapaha hevitra hitoetra ho mahatoky — ary ekeo fa mahatoky koa ny olon-kafa.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana